Fihotsahan'ny tany teny amin'ny fokontany Manjakamiadana

FIHOTSAHAN'NY TANY.
Noho ny fihotsahan'ny tany teny amin'ny fokontany Manjakamiadana halina dia nandefa "engin" sy fitaovana teny ny Faritra Analamanga nanala ireo tany mihotsaka mba ahafahan'ny mponina mifamezivezy.
Nisy ny fiaraha-miasa tamin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Mikasika izay loza mitatao eto Antananarivo sy ny toerana hafa noho ny toetrandro izay ihany dia hisy ny fivoriana maika hatao eny amin'ny Lapan'Iavoloha ny 19 janoary 2022 iarahan'ireo tompon'andraikitra samihafa ary hotarihin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

 

 

TATITRA AVY AMIN'NY BNGRC 19 janvier 2022