MANKAHERY IREO TRA-BOINA NY GOVERNORA HERY RASOAMAROMAKA
Amin'izao toetr'andro ratsy miteraka fahavoazana eto amintsika izao dia mirary fihononana feno ho an'ireo nidom-pahoriana ny Faritra Analamanga.
Miara-ory ihany koa amin'ireo traboina .
Etoana dia manentana antsika rehetra mba hifanampy sy hitondra izay voatsirambin'ny tanana satria ny "voin-kava mahatratra".
Ny Fitondrana sy ny Faritra Analamanga dia mankahery ary tsy mamela ireo traboina ho irery fa mijery akaiky ny fanampiana sy ny hanamaivanana ny fahoriana mianjady amin'izy ireo.
Raha misy tranga mampiahiahy, na loza manambana na mitranga amin'izao rotsak'orana be izao dia ireto ny laharana azo antsoina :
- Laharana maitso 930 ( BNGRC)
- 034 34 670 08 (Polisy monisipaly)
- 034 34 670 09 (Mpamonjy voina)
🔸 Nijanona 10 ny isan’ireo namoy ny ainy vokatry ny andro ratsy na ora-mikija nanomboka ny alin’ny 17 Janoary 2022.
🔸Tafakatra 17 498 kosa ny isan’ireo olona traboina. Nahitam-piakarana noho izany ireo olona nafindra toerana vonjimaika, miisa 8 457 ary notsinjaraina eny amin’ireo toeram-pandraisana traboina vonjimaika miisa 18.
🔸Tafakatra 3 133 ihany koa ireo toeram-ponenana dibo-drano ary tafiakatra 7 ny isan’ireo trano rava sy nihotsaka.