Sous-gradin ao amin'ny Kianja Barea : Andraisana traboina
Androany, 22 janoary 2022, dia nisy ny fidina ifotony niarahana tamin'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA nijery ireo olona traboina izay mitoby ao amin'ny Gymnase Couvert Mahamasina.
Olona miisa 3248 avy amina tokantrano 798 manerana ny fokontany miisa 8 ao amin'ny Boriboritany faha-efatra no mitoby ao an-toerana ankehitriny, vokatry ny fiakaran'ny rano teto an-drenivohitra.
Noho ny fahitana fa tsy dia lavorary loatra ny fotodrafitrasa andraisana ireo traboina ao amin'ny Gymnase Mahamasina dia nandroso vahaolana avy hatrany ny Filoha niaraka tamin'ireo tompon’andraikitra niara-dia taminy ny hamindrana ireto olona traboina ireto.
Tapaka araka izany fa ny "sous gradin" ao amin'ny Kianja Barea no hametrahana azy ireo. " Kianja nanehoantsika ny firaisankina sy ny firaisampo ity Kianja Barea ity ary ankehitriny dia Kianjan'ny Fifamonjena ity toerana ity satria ahafantsika manavotra sy manampy ireo mpiara-belona amintsika traboina noho ireny tondra-drano ireny", hoy ny Filoha Andry RAJOELINA. Efa misokatra sy azon'ireo olona raisina an-tanana any an-toerana ampiasaina ny toeram-pidiovana ao amin'ny Kianja Barea ary apetraka avy hatrany ny lamina eo amin'ny toerana hamindrana azy ireo.
Toy ny hita any amin'ireo toerana hafa mandray an-tanana ireo traboina manerana an’Antananarivo sy ireo faritra sasany dibo-drano, dia hisy ireo mpiasan'ny fahasalamana hanome fitsaboana maimaim-poana ireo marary.
Nanome toromarika ny tompon’andraikitra ihany koa ny Filoha Andry RAJOELINA ny hijerena akaiky ny fanomezana sakafo in-telo isanandro sy ara-potoana ireto olona traboina ireto. Nitondra ny teny fankaherezana hoan'ireto fianakaviana ireto moa ny Filoha ary nanamafy fa anilan'izy ireo sy vonona hanampy azy ireo hatrany ny Fitondram-panjakana.
Taorian'izay dia notanterahana avy hatrany ny fanamboarana ny toerana ahafahana mandray ireo tra-boina nitoby tetsy amin'ny Kianja mitafo ka horaisina eto ambanin'ny gradin Kianja Barea
Tsy mandry andro, tsy mandry alina araka izany ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny manao izay azo atao rehetra ho famonjena ny mpiray tanindrazana niharam-boina, sy ho fandrindrana ny fomba fiasa rehetra. Ny 23 janoary ohatra dia nisy ny fivoriana niarahan'ireo tompon'andraikitra maro nahitana ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny Minisitry ny Mponina, ny Governoran'Analamanga.