Fiakaran'ny rano

Fianakaviana maromaro navotana teny Ambodifasina

Nisy ny tolakandron'ny 23 janoary 2022 ny fanavotana tokatrano maromaro teny Ambodifasina, ilay lalana Tsarasaotra mivoaka eny Antsofinondry.
Noho ny fiakaran'ny rano be loatra dia tokatrano maro no dibo-drano ka tsy maintsy navotana tamin'ny "vedette".
Teny an-toerana nandrindra sy nandamina izany ny Governoran'Analamanga sy ireo Minisitra sasany ao amin'ny Governemanta sy ny Solombavambahoaka ary ireo mpitandro Filaminana.
Maro ny fianakaviana avotra soaman-tsara ka isaorana ny rehetra amin'ny fiaraha-mientana hoy ny Governora Hery Rasoamaromaka.