Fanokafana ny Lalampirenena Faharoa (RN2)

Mifanome tanana ny Faritra sy ny Minisitera

Noho ny fihotsahan'ny tany izay miisa 15 amin'ny lalam-pirenena faha 2 mampitohy an'Antananarivo sy Moramanga izay nateraky ny andro ratsy dia nandefa ny "engin"-ny nanala izany tany izany ny Faritra Analamanga.
Lalam-pirenena tena ain'ny Firenena ny RN2 ka tsy niambahamba ny Faritra Analamanga nanampy ny Ministeran'ny Asa Vaventy.
Nanome "porte-char" nitondrana ny engin ihany koa ny Faritra Matsiatra Ambony.
Ny vanimpotoana toy izao no anehoana ny firaisankina sy fifanampiana amin-tsika samy malagasy.