25 JANVIER 2022
[π πππππππ π ππππππππππππ ππππ’ ππ ππππ ππ π πππππππ’ππ πππππππππ’π πππππππππ : π ππππππ πππππππππ ππ πππππ]
Androany Talata faha 25 Janoary 2022 tamin’ny 9 ora maraina
Reniranon’i Betsiboka eo Ambodiroka (Pont RN 4):
Raha ny haavon’ny rano eo Betsiboka eo amin’ny tetezana RN4 dia 3,20m omaly 24 Janoary 2022 tamin’ny 05 ora hariva. Androany tamin’ny 08 ora 30mn izy dia nahatratra 3,50 m ny haavony. Mbola hiakatra hatrany anefa io ao anatin’ny 24 ora ho avy.
Noho izany: Mbola voatazona hatrany ny filazana loza mihatra, miloko mena
amin’ny fiakaran’ny rano ho an’ny distrikan’ Ambato-Boeny sy Marovoay.
Reniranon’i IKopa eo Maevatanana:
Raha ny haavon’ny rano eo amin’ny reniranon’Ikopa ao Antafia (akaikin’i Maevatanana) omaly 24 Janoary 2022 tamin’ny 05 ora hariva dia 3,60 m. Androany tamin’ny 08 ora maraina dia nahitana fiakarana ho 4,20 m. Mbola mitombo hatrany anefa izany ao anatin’ny 24 ora ho avy.
Tandremo! Izay rehetra mitatitra sy mampiasa ity filazana ity dia tokony hilaza ny andro sy ny ora nanaovana azy!
Cliquez sur le lien suivant pour la version française :
http://www.meteomadagascar.mg/node/3075
TATITRA AVY AMIN'NY BNGRC MIKASIKA NY TRABOINA 24 Janoary 2022