Moramanga RN2

RN2 MORAMANGA PK 108+600, 25 Janoary 2022
Vita androany tamin'ny 5 ora sy sasany maraina teo ny fametrahana ny fivilian-dalana (déviation) vonjimaika amin'ny lalam-pirenena faharoa RN2 eo amin'ny PK 108+600 Moramanga.
Afaka mandeha avokoa ireo fiara madinika sy ny  taxi-brousse fa ny fiara vaventy kosa dia miandry ny fahavitan'ny tetezana (Pont Bailey) izay vinavinaina ho vita androany ny fametrahana azy vao afaka mivezivezy.
Nanatrika izany asa fanamboarana izany tany an-toerana ny Praiministra Ntsay Christian sy ny minisitry ny Asa Vaventy HATREFINDRAZANA Jerry ary nijanona tany an-toerana mandrapahavitan'ny fametrahana izany fivilian-dalana izany.
Mba hampilamina sy hampirindra ny fifamoivoizana dia iangaviana isika rehetra hanaja sy hanaraka ireo fandaminana any an-toerana.

Source Présidence

25/01/22