Kaominina Ambatolaona, 12 Febroary 2022
Notanterahina ny 12 febroary 2022 ny fanolorana fanampiana ho an'ireo traboina tao amin'ny Kaominina Ambatolaona, distrikan'i Manjakandriana, araka ny toromarika nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA, vokatry ny fandalovan'ny cyclones Anna sy Batsirai .
"...Sambany no nisy fitondram-panjakana nijery anay tety ifotony toy izao hoy ireo vahoaka..."
Nihoatra lavitra noho ireo olona tanaty lisitra tokony nisitraka izany no nahazo fanampiana, soa fa nisy ny ambiny ka dia nahazo avokoa ireo olona na tsy traboina aza rehefa nahita ireo trabona nilahatra ka nomena avokoa izay tonga teo an-toerana.
Fanampiana ireo mpiara-miasa ao amin'ny Faritra Analamanga, 11 Febroary 2022
Araka ny efa nampanantenaina dia nitondra fanampiana ho fitsinjovana ny maha-olona ho an'ireo mpiara-miasa ato amin'ny Faritra Analamanga ny Governora sy ireo tomponandraikitra samihafa .
Izao no natao dia entina hitsinjovana ny maha-olona sy hanampiana ireo mpiasa nandritra ny voina niseho teto amin'ny Firenena sy teto Analamanga tamin'ny rivodoza voalohany iny.
Boriborintany faha-IV, 01 Febroary 2022
Notanterahina tao amin'ny Kianjan'ny Kanto tao Mahamasina ny fanolorana fanampiana ireo traboina ho an'ny boriboritany fahaefatra ka nanatitra izany teny.an-toerana tamin'ny anaran'ny Filoha Andry RAJOELINA ny Governoran'Analamanga sy ny Minisitra TINOKA Roberto.
Fisaorana kosa no natolotry ny Solombavambahoaka Rossy raha nandray izany ary efa nanentana sahady ny hitandreman'ny mponina sy hiomanan'izy ireo amin'ny ho fahatongovan'ny rivodoza Batsirai amin'ity herinandro ity. Aoka hoy izy isika tsy hifanome tsiny isika fa hiomana sahady kosa satria tsy maintsy hiakatra indray ny rano ato ho ato.
Nasiany teny manokana sy nampitandremany ihany koa ny amin'ireo olona maniratsira sy mpanompa ny Filoham-pirenena.
Ambohinambo Talatamaty, 01 Febroary 2022
Amin'ny maha mpiara-monina ny Governoran'Analamanga eny Ambohinambo Talatamaty, distrikan'Ambohidratrimo, dia nisy ny fizarana fanampiana ho an'ireo traboina teny amin'ny fokontanin'Ambohinambo. Vary, menaka, savony, voamaina no nozaraina tamin'izany.
Araka ny lisitr'ireo traboina naterin'ny Filohan'ny Fokontany Ambohinmbo Talatamaty dia misy trano 35 tafo izay ahitana traboina 150 teo ho eo no notoloran'ny Governora sy ireo mpiara-miasa aminy ireo fanampiana ireo.
FIZARANA VATSY TSINJO
Nosantarin'ny Filoha Andry Rajoelina mivady teny Alarobia sy Andohatapenaka, 31 janoary 2022
Natomboka tamin'ny fomba ofisialy ny alatsinainy 31 janoary 2022 teny amin'ny Kianja Alarobia sy teny amin'ny kianja Maki Andohatapenaka, ny fizarana vatsy tsinjo ho an'ireo olona tra-boina noho ny fandalovan'ny rivodoza Ana farany teo. Ny filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady no tonga teny an-toerana nizara izany sy nankahery ireo Malagasy mpiray tanin-drazana, notronin'ny tompon'andraiki-panjakana samihafa, isan'izany ny Minisitry ny Atitany, ny Minisitry ny Mponina, ny Governoran'Analamanga, ny Ben'ny tanànan'Antananarivo Renivohitra. Nosantarina tamin'izany ihany koa ny fampiasana ny karinem-pokontany amin'ny endriny vaovao, misy QR code.
Tao amin'ny fokontany Andohatapenaka dia ankohonana 1993 no nisitraka ny vatsy tsinjo. Vary iray gony isam-pianakaviana no natolotra tamin'izany ary mbola miampy voamaina,trondro ambifotsy sardine, menaka, koba aina, savony, sira, ronono ambifotsy ary CVO. Tsy ho ela dia hisitraka ny lelavola Tosika fameno ihany koa ireo olona sahirana ireo.
FANAMPIANA IREO TRABOINA
Soavimasoandro, Alasora, Ambohimanambola, 28 Janoary 2022
Nitohy androany, 28 Janoary 2022 ny iraka nampanaovin'ny Filoha Andry RAJOELINA ny Governora sy ny Minisitra Tinoka Roberto ho fanampiana ireo traboina tany amin'ireo toerana maro eto Antananarivo ka teny Soavimasoandro, distrikan'Antananarivo-V, sy Alasora, Antananarivo Avaradrano ary Ambohimanambola, Antananarivo Avaradrano no naleha.
Raha ny teny Soavimasoandro dia nisy ny fidinana sy fitsofohana tany anaty tanàna izay dibo-drano noho ny fiakaran'ny rano ka tany no nizarana ireo fanampiana.
Teny Alasora kosa, raha olona 250 no voaray anarana fa traboina dia olona 1300 no tonga teo an-toerana miampy ireo olona sahirana. Araka ny hafatry ny Filoham-pirenena dia mahazo fanampiana avokoa ny olona tonga rehetra ka tsy maintsy nitady vahaolana haingana noho izany. Nampiana ireo vary nozaraina ka samy nahazo ny rehetra taorian'ny fandaminana natao.
Ny Fitondrana dia tsy manadino ary manampy hatrany ireo sahirana sy traboina.
Ambodihady, Ambodimita, Andranomena ary Bemasoandro, 26 Janoary 2022
Nitohy hatrany ny iraka nampanaovin'ny Filoha Andry RAJOELINA ny Governoran'Analamanga sy ny Minisitra TINOKA Roberto amin'ny fanaterana fanampiana ho an'ireo traboina.
Fokontany maro toy ny teny Ambodihady, Ambodimita, Andranomena ary Bemasoandro Itaosy no nanatanterahana izany ny alarobia 26 janoary 2022.
Nandray ny fanampiana ary nitsinjara ny fanampiana teny amin'ny Boriborintany faha enina ny Solombavambahoaka ary ny Ben'ny tanàna sy ny Lehiben'ny Distrikan'Antananarivo Atsimondrano ny tetsy Bemasoandro.
Aoka isika ho malina hatrany fa tsy ho sodoka ny andro mihatsara satria fotoana toy izao no mahabe ny trano sy tany mihotsaka, hoy ny Governora Hery Rasoamaromaka.
Fokontany Anatihazo sy Antetezana Afivoany, 25 janoary 2022
Nitohy teny amin'ny fokontany Anatihazo sy Antetezana Afivoany, androany 25 janoary 2022 ny iraka nampanaovin'ny Filoha Andry RAJOELINA ny Governora Hery Rasoamaromaka sy ny Minisitra Tinoka Roberto izay notronin'ny solombavambahoaka voafidy teny amin'ny Boriboritany Voalohany amin'ny fijerena ireo traboina teny an-toerana noho ny fiakaran'ny rano.
Nisy ny vary natolotra ireo traboina mitoby ao amin'ny EPP tao amin'ireo Fokontany ireo izay hataon'izy ireo sakafo noho ny tsy fahafahana miasa ankehitriny.
Nentanina hatrany ireo traboina sy ny mponina teny an-toerana mba ho mailo sy hitandrina amin'ny rano miakatra.
Nisy ihany koa ny fanentanana ireo mponina mba hisoratra ara-dalana eny amin'ny fokontany ary haka ny carnet vaovao satria efa nanambara sy nampanantena ny Filoha fa hanome vatsy tsinjo ho an'ireo olona traboina rehetra tsy anavahana.
Nandritra izany fotoana izany dia nisy tetezan-kazo izay nangatahan'ny mponina teny Antetezana Afivoany fanamboarana satria efa simba ka tsy mahazaka olona intsony ka tsy hiandrasana ela izany fa hamboarina tsy ho ela.