Fandehan'ny renirano eto Antananarivo

BNGRC 27 Janoary 2022

 
📣FILAZANA NY FANDEHAN’NY RENIRANO ETO AMIN’NY LEMAK’ANTANANARIVO
 
📍Laharana faha-29
👉Alakamisy 27 Janoary 2022 amin’ny 10 ora maraina
 
🚩FAMPITANDREMANA MILOKO MENA (LOZA MITATAO)
📌amin’ny lemak’Antananarivo izay lalovan’ny renirano Ikopa any Bevomanga
🔸🔸Efa midina avokoa ny haavon’ny rano amin’ny renirano Ikopa sy Sisaony ary Mamba. Na izany aza dia mila mitandrina hatrany ny mponina amin’ireo Kaominina voakasik’izany eto Antananarivo sy ny manodidina :
📌Antananarivo, Masindray, Ambohimanambola, Ambohijanaka, Andoharanofotsy, Alasora, Ankaraobato, Tanjombato, Soavina, Anosizato Andrefana, Andranonahoatra, Bemasoandro, Ankadimanga, Ambohitrimanjaka, Fiombonana, Ampangabe ;
📌Tsiafahy, Androhibe Antsahadinta, Bongatsara, Antanetikely Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Fiadanana ;
📌Sabotsy Namehana, Ankadikely Ilafy, Ambohibao Antehiroka, Talatamaty, Iarinarivo.
🔸Reniranon’i Sisaony:
📌1,10 m ny haavon’i Sisaony eo amin’ny mari-drefin’Andramasina. Nidina 0,28 m ny rano tao anatin’ny 18 ora.
📌3,03 m ny haavon’i Sisaony eo amin’ny mari-drefin’Ampitatafika. Nidina 0,30 m ny rano tao anatin’ny 18 ora ary mbola hidina mandritra ny 12 ora manaraka. 3,50 m ny refy fampitandremana miloko mena (loza mitatao) eo Ampitatafika.
🔸Reniranon’Ikopa:
📌1,70 m ny haavon’Ikopa eo amin’ny mari-drefin’Antelomita. Nidina 0,11 m ny rano tao anatin’ny 18 ora.
📌3,16 m ny haavon’Ikopa eo amin’ny mari-drefin’Ambohimanambola. Nidina 0,53 m ny rano tao anatin’ny 18 ora ary mbola hidina mandritra ny 12 ora manaraka
📌2,48 m ny haavon’Ikopa eo amin’ny mari-drefin’Anosizato. Nidina 0,46 m ny rano tao anatin’ny 18 ora ary mbola hidina mandritra ny 12 ora manaraka. 3,00 m ny refy filazana mavo (loza manambana) eo Anosizato.
📌4,92 m ny haavon’Ikopa eo amin’ny mari-drefin’i Bevomanga. Nidina 0,12 m ny rano tao anatin'ny 18 ora ary mbola hidina mandritra ny 12 ora manaraka. 4,50 m ny refy fampitandremana miloko mena (loza mitatao) eo Bevomanga.
🔸Reniranon’i Mamba :
📌2,85 m ny haavon’i Mamba eo amin’ny mari-drefin’Ambohidroa. Nidina 0,05 m ny rano tao anatin’ny 18 ora.