Tonga ny Vary tsinjo. Tsy atahorana ny famatsiana solika

MICC : Vary tsinjo 1000T noraisina tetsy amin'ny fasan'ny karana

Vary Tsinjo 1000 taonina avy any Toliary no tonga ny 26 Janoary 2022 teny amin’ny  Fasan’ny Karana hamatsiana ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Nandray izany teny an-toerana ny ministra Edgard Razafindravahy sy ny mpiara-miasa aminy no sady nitsidika ny toeram-panatobiana izay mahazaka vary hatrany amin’ny 5000T.
Nanamafy ny Minisitra fa tsy tokony hiahiahy amin’ny mety ho tsy fahampian’ny tahiry ny mponina. Vary 25000T no nigadona tao Toamasina tsy ela akory izay. Nambarany fa izao fahavitan’ny tetezam-by any amin’ny lalam-pirenena faha-2 izao dia ahafahana mampiakatra haingana ny entana eto Antananarivo sy ny manodidina ary any amin’ny faritra hafa.

Source MICC

OMH : Tsy misy atahorana ny famatsiana solika

Notanterahina ny 25 Janoary 2022 teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny akoranafo (OMH) ny valan-dresaka niarahana tamin’ny mpanao gazety momba ny famatsiana solika eto Madagasikara amin’ny ankapobeny. Nandray anjara fitenenana tamin’izany ny Tale Jeneraly ny OMH Andriamatoa Olivier JEAN-BAPTISTE ary notronin’ny Tale Jeneralin’ny Angovo sy ny Akoranafo Andriamatoa Sambatra RAMIANDRASOA avy ao amin’ny Ministera misahana ny Angovo sy Akoranafo. Nampahafantarina tao anatin’ny valandresaka fa ampy sy sahaza tsara ny filàna solika eto an-drenivohitra ny tahirin-tsolika izay misy 20 andro ho an’ny lasantsy (SP95) ary 18 andro ho an’ny gasoil. Ambon’izany, maherin’ny 40 ireo fiara vaventy fitaterana solika izay efa eny an-dalana avy any Toamasina, vonona hamatsy an’Antananarivo raha vao vita ny fanamboarana ny lalam-pirenena faharoa, izay heverina fa hiverina amin’ny laoniny ny 26 Janoary 2022. Ireo tobin-tsolika any amin’ny faritra kosa dia voavatsy ara-dalàna na ho an’ny fitaterana an-tanety na an-dranomasina, ary ampy tsara ny tahiry. Nambara ihany koa fa ny fanafarana solika dia mizotra araka ny fandaharana sy ny fandaminana momba izany. Ary sambo telo (3) no ho avy eto Madagasikara amin’ny volana Febroary ho avy izao ka mitondra ireo solika isan-karazany ilain’ny mpanjifa sy ny orinasa isan-tsokajiny. Miantso ny rehetra izany mba hanjifa araka izay filany amin’ny andavanandro fa tsy ilaina no manao tahiry any an-trano, izay mety hitera-doza amin’ny maha akora mora mirehitra ny solika. Fehiny, milamina ny famatsiana ny solika

Source OMH