Miverina amin'ny laoniny ankehitriny ny fifamoivozana amin'ny lalam-pirenena faharoa raha toa ka nisy ny fahatapahana noho ny fihotsahan'ny lalana teo amin'ny PK 108+600 Moramanga. Vita tao anatin'ny roa andro ny tetezam-by na Pont Bailey mirefy 25m ary mahazaka fiara vaventy milanja hatramin’ny 45t.
Tsiahivina rahateo fa lalan-drà ara-toekarena ho an’i Madagasikara ity lalam-pirenena ity ka tsy maintsy hatao izay hamahana ny olana farak’izay haingana mba tsy hiteraka fatiantoka goavana ara-toekarena sy ara-tsosialy. Amin’ny maha avokavok’i Madagasikara an’i Toamasina rahateo dia miantsona ao avokoa ny 95 isan-jatony ny filan’ny vahoaka toy ny entana ilaina amin’ny fiainana an-davanandro, ny fanafody sy ny sakafo ary ny solika.
Nisaotra manokana ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny Asa Vaventy izay nanara-maso akaiky ny fanafainganana ny fanatanterahana ny fotodrafitrasa ary ireo rehetra niara-nisalahy tamin'izany Filoha Andry RAJOELINA.
Teny am-pamaranana dia nanteriny fa ny fotoan-tsarotra tahaka izao no hahafahantsika mijery vahaolana maharitra toy ny fametrahana ilay “autoroute“ na ilay lalam-be migodana mirefy 260 km mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina.