[๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ฏ๐ฌ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐'๐๐ ๐ฌ๐ฐ ๐ข๐ฅ๐ ๐๐๐ฅ๐๐ฉ๐]
Tany amin’ny 1 815 Km atsinanan’ny Sainte Marie nisy ny foiben’ilay rivodoza
๐๐๐๐๐๐๐๐ tamin'ny 03 ora tolakandro teo .Voasokajy ho rivodoza mahery vaika
izy amin’izao fotoana izao.
150Km/ora
ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 210 Km/ora. Tato anatin’ny 12 ora lasa dia nikisaka niakandrefana somary Avaratra Andrefana izy ka nahafaka 16 Km/ora.
Ato anatin’ny andro maromaro ho avy kosa dia hikisaka miakandrefana izy amin’ny ankapobeny amin’ny hafainganam-pandehany manodidina ny 17 Km/ora.
Raha ny vina lavitra ezaka (amin’ny tapany faharoa amin’ny ny herinandro) dia hanambana ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy ity rivodoza mahery ity. Mbola tsy dia mazava loatra kosa anefa ny toerana mety hidirany an-tanety.
๐๐ป๐๐ฎ๐ป๐ถ๐ป๐ฎ ๐บ๐ฎ๐ป๐ผ๐ธ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ธ๐ฎ ๐ถ๐๐ฎ๐ป๐ ๐ป๐ ๐บ๐ฝ๐ผ๐ป๐ถ๐ป๐ฎ ๐ฟ๐ฒ๐ต๐ฒ๐๐ฟ๐ฎ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ป’๐ป๐ ๐บ๐ผ๐ฟ๐ผ๐ป๐๐๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ธ๐ฎ ๐๐๐๐ถ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐บ๐ฎ๐ป๐ผ๐บ๐ฏ๐ผ๐ธ๐ฎ ๐ฒ๐ผ ๐๐ป๐ฎ๐น๐ฎ๐ป๐ท๐ถ๐ฟ๐ผ๐ณ๐ผ ๐ธ๐ฎ ๐ต๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ๐ป๐ ๐ง๐ฎ๐ผ๐น๐ฎ๐ด๐ป๐ฎ๐ฟ๐ผ ๐บ๐ฏ๐ฎ ๐ต๐ฎ๐ป๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ธ๐ฎ ๐ฎ๐ธ๐ฎ๐ถ๐ธ๐ ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐๐ผ๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ป’๐ถ๐๐ ๐ฟ๐ถ๐๐ผ๐ฑ๐ผ๐๐ฎ ๐ถ๐๐
Mbola azo antoka noho izany fa ho maina hatrany aloha ny andro eto Madagasikara hatramin’ny Alarobia faha 02 Febroary 2022
Loharano: Météo Madagascar