Rivodoza BATSIRAI, 03 Febroary 2022

 
[๐…๐ˆ๐‹๐€๐™๐€๐๐€ ๐Œ๐€๐๐Ž๐Š๐€๐๐€ ๐Œ๐Ž๐Œ๐๐€ ๐๐˜ ๐“๐Ž๐„๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž ๐•๐Ž๐€๐‘๐€๐˜ ๐๐˜ ๐Ÿฌ๐Ÿฏ ๐—™๐—˜๐—•๐—ฅ๐—ข๐—”๐—ฅ๐—ฌ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ ๐“๐€๐Œ๐ˆ๐'๐๐˜ ๐Ÿฌ๐Ÿญ ๐—ข๐—ฅ๐—” ๐—ง๐—ข๐—Ÿ๐—”๐—ž๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—ข]
โœ…Tamin’ny 01 teo dia tany amin’ny 651 Km atsinanana somary atsimo-atsinanan’Ambila Lemaitso no nisy ny foiben’ilay rivodoza๐ŸŒ€ BATSIRAI. 165 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 235 Km/h.
โœ… Mikisaka miakandrefana somary atsimo-andrefana izy ka mahafaka 07 Km/ora.
โœ…Tsy miova ny vinavina fa manambana ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy ity rivodoza๐ŸŒ€ ity ary hiditra an-tanety eo anelanelan’ny Vatomandry sy Mananjary ny Sabotsy 05 Febroary 2022 eo anelanelan’ny amin’ny 08 ora maraina sy mitatao vovonana. Tombanana ho rivodoza ๐ŸŒ€mahery vaika hatrany izy amin’izay fotoana izay ka hahatratra 175 Km/ora ny rivotra miaraka aminy. Hamakivaky ny afovoan-tany izy ary tombanana hivoaka an-dranomasina ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika ny Alahady 06 Febroary 2022.
โš ๏ธMiova ho toy izao ny filazana loza:.
โžก๏ธFilazana loza manambana miloko mavo๐Ÿ“’: Faritra ATSINANANA, VATOVAVY, FITOVINANY, ATSIMO ATSINANANA, MANGORO, ANALAMANGA, BONGOLAVA, ITASY, VAKINANKARATRA, AMORON'I MANIA, MATSIATRA AMBONY, IHOROMBE sy ny Distrikan’I SOANIERANA IVONGO, ST MARIE, FENERIVE EST, VAVATENINA, AMPARAFARAVOLA, AMBATONDRAZAKA.
โžก๏ธFilazana fanairana miloko maintso๐Ÿ“— : Faritra ANOSY, MENABE sy ny Distrikan’ANTALAHA, MAROANTSETRA, MANANARA NORD, MANDRITSARA, ANDILAMENA, TSARATANANA, MAEVATANANA, ANTSALOVA, BEROROHA, SAKARAHA, ANKAZOABO, MOROMBE,TOLIARA I-II, BETIOKY, BENENITRA.
โŒโŒ Entanina ny rehetra mba hanaraka akaiky ny fivoaran’ity rivodoza ity ary hanaraka tsara ny toro-marika omen’ny manam-pahefana.โŒโŒ
โœ…Ny mpampiasa ranomasinaโ›ตrehetra amin’ny morontsiraka atsinanana manontolo dia iangaviana mba tsy hiandriaka intsony.
Loharano : Météo Madagascar

 

 


[๐—™๐—œ๐—Ÿ๐—”๐—ญ๐—”๐—ก๐—” ๐—™๐—”๐— ๐—ฃ๐—œ๐—ง๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—˜๐— ๐—”๐—ก๐—” ๐— ๐—”๐—›๐—”๐—ž๐—”๐—ฆ๐—œ๐—ž๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—›๐—”๐—”๐—ฉ๐—ข๐—ก’๐—ก๐—ฌ ๐—”๐—Ÿ๐—ข๐—ก-๐——๐—ฅ๐—”๐—ก๐—ข ๐—ฆ๐—ฌ ๐—ก๐—ฌ ๐—›๐—”๐— ๐—”๐—™๐—œ๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—œ๐—ง๐—ฆ๐—ข๐—ž๐—”๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—ฅ๐—œ๐—ฉ๐—ข๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—ฉ๐—ข๐—”๐—ฅ๐—”๐—ฌ ๐—ก๐—ฌ ๐Ÿฌ๐Ÿฏ ๐—™๐—˜๐—•๐—ฅ๐—ข๐—”๐—ฅ๐—ฌ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿฎ ๐—ง๐—”๐— ๐—œ๐—ก’๐—ก๐—ฌ ๐Ÿญ๐Ÿฎ ๐—ข๐—ฅ๐—” ๐—”๐—ง๐—ข๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—ข]
โœ… Hikorontana ny fifamoivoizana eny an-dranomasina saika manerana ny ๐—บ๐—ผ๐—ฟ๐—ผ๐—ป๐˜๐˜€๐—ถ๐—ฟ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ mandritra ny fanantonana sy ny fandalovan’ny rivodoza BATSIRAI.
โœ… ๐—›๐—ถ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—บ๐—ถ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ny haavon’ny onja, mety hahatratra ๐Ÿฐ ๐—ป๐—ฎ ๐Ÿญ๐Ÿฌ ๐—บ๐—ฒ๐˜๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ amin’ny fotoana hidirany.
โœ… Hihamafy koa ny fitsokan’ny rivotra ๐Ÿ’จ manerana ny morontsiraka atsinanana, hihitatra any amin’ny faritra atsimo ary hahazo ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy avy eo, mahatratra ๐Ÿฒ๐Ÿฌ๐ค๐ฆ/๐—ผ๐—ฟ๐—ฎ ๐—ต๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐Ÿญ๐Ÿฌ๐Ÿฌ๐—ธ๐—บ/๐—ผ๐—ฟ๐—ฎ izany ary arahina tafiotra.
โŒโŒโŒTsy azo atao mihintsy araka izany ny miandriaka โ›ต ho fisorohana ny loza mety hitranga ary entanina ihany koa isika mba hanaraka tsy tapaka ny toromarika omen'ny manam-pahefana eny ifotony. โŒโŒโŒ
  • Les activités maritimes sur l'ensemble des côtes seront perturbées durant l'approche et le passage du Cyclone Tropical Intense BATSIRAI avec des houles cycloniques qui vont progressivement prendre de hauteur (4 à 10 metres au moment de l'atterrissage).
  • Le vent se renforce déjà le long des côtes Est, s'étendra sur la partie Sud, puis sur toute l'ile plus tard (60 à 100 km/h avec rafales).
  • La sortie en mer est fortement déconseillée.
  • Veuillez suivre les prescriptions émises par les autorités locales.

 

Loharano: Météo Madagascar

 

[๐…๐ˆ๐‹๐€๐™๐€๐๐€ ๐Œ๐€๐๐Ž๐Š๐€๐๐€ ๐Œ๐Ž๐Œ๐๐€ ๐๐˜ ๐“๐Ž๐„๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž ๐•๐Ž๐€๐‘๐€๐˜ ๐๐˜ ๐Ÿฌ๐Ÿ ๐—™๐—˜๐—•๐—ฅ๐—ข๐—”๐—ฅ๐—ฌ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ ๐“๐€๐Œ๐ˆ๐'๐๐˜ ๐ŸŽ๐Ÿ’ ๐Ž๐‘๐€ ๐‡๐€๐‘๐ˆ๐•๐€]
โœ…Tamin’ny 03 teo tany amin’ny 840 Km atsinanan’Ambila Lemaitso no nisy ny foiben’ilay rivodoza ๐ŸŒ€BATSIRAI. Niakatra ho 195 Km/ora ny rivotra ๐Ÿ’จ entiny izay arahina tafiotra 275 Km/h.
โœ… Mikisaka miakandrefana somary atsimo-andrefana izy ka mahafaka 17 Km/ora.
โœ…Tsy miova ny vinavina fa manambana ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy ity rivodoza๐ŸŒ€ ity ary hiditra an-tanety eo anelanelan’ny Vatomandry sy Mananjary ny Sabotsy 05 Febroary 2022 atoandro na tolakandro. Tombanana ho rivodoza๐ŸŒ€ mahery vaika hatrany izy amin’izay fotoana izay ka hahatratra 175 Km/ora ny rivotra miaraka aminy. Hamakivaky ny afovoan-tany izy ary tombanana hivoaka an-dranomasina ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika ny Alahady 06 Febroary 2022.
โš ๏ธMiova ho toy izao ny filazana loza. Mampiatra ny fepetra amin’ny filazana miloko maintso ๐Ÿ“— mikasika ny rivodoza ireto Faritra sy Distrika manaraka ireto : ANALANJIROFO, ATSINANANA, ALAOTRA MANGORO, VATOVAVY, FITOVINANY, ATSIMO ATSINANANA, ANALAMANGA, ITASY, BONGOLAVA, VAKINANKARATRA, AMORON’I MANIA, MATSIATRA AMBONY, IHOROMBE, ANTALAHA, MANDRITSARA, TSARATANANA ary TAOLAGNARO.
โŒโŒEntanina manokana araka izany ny mponina voakasikin’ny fanairana mba hanaraka akaiky ny fivoaran’ity rivodoza ity ary hanaraka tsara ny toro-marika omen’ny manam-pahefana. โŒโŒ
โœ… Efa mahazo hery ny varatraza ka entanina ny mpampiasa ranomasina rehetra amin’ny morontsiraka atsinanana manontolo mba tsy hiandriaka intsony.

Source : Météo Madagascar