-Mankahery ireo traboina manerana ny Nosy
-Fampianarana : Miverina mianatra ny mpianatra ny Alatsinainy 07 febroary 2022
-Fitaterana : Miverina misokatra ny Zotra rezionaly ato Analamanga
Manoloana ny voina mianjady amin'ny Firenena indrindra ny any amin'ny Faritany sy ny Faritra hafa noho ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai dia mankahery ny vahoaka any an-toerana ny tenako sy ireo mpiara miasa amiko.
Mirary fiononana feno ho an'izay namoy havana ary fahasalamana haingana ho an'ireo maratra sy marary.
Ho an'Analamanga dia miverina mianatra ny mpianatra rehetra amin'ny an-kapobeny saingy misy ireo toerana sasany izay ny Chef CISCO sy ny DREN no manome ny fandaminana hafa raha misy ny fiovana.
Ho an'ny fitaterana amin'ny "Zotra rezionaly" ato amin'ny Faritra Analamanga dia miverina misokatra toy ny mahazatra izany.