ANDRO RATSY DUMAKO
VAOVAO TSELATRA SY ANTOTAN’ISA OFISIALY MIKASIKA NY FAHAVOAZANA VOKATRY NY FISIAN’NY ANDRO RATSY DUMAKO LAHARANA FAHA 2 NAVOAKAN’NY BNGRC NY ALAKAMISY 17 FEBROARY 2022 TAMIN’NY 07 ORA HARIVA
Faritra 4 no voakasiky ny fahavoazana
Isan’ireo olona namoy ny ainy : 6 ka ny 1 tany Soanierana Ivongo ary ny 5 tany Anosibe An’Ala
Isan’ireo olona traboina : 5 095 izay mitsinjara amin’ny faritra 2
Isan’ireo olona nafindra toerana vonjimaika : olona 2 982 izay napetraka amin’ny toerana fandraisana an-tanana vonjimaika miisa 6
Isan’ny toeram-ponenana rava tanteraka : 113
Isan’ny toeram-ponenana dibo-drano : 983
Isan’ny toeram-ponenana nahitana fahasimbana : 12
Isan’ny efitrano fianarana nahitana fahasimbana : 281
Isan’ny efitrano fianarana rava tanteraka : 47
Isan’ny tetezana lasan’ny rano : 1 dia ny tetezan’ny Volobe, Toamasina II ary misy maromaro ihany koa ireo toerana difotry ny rano
Fihotsahana lalana : RN6 ao amin’ny CR Bekoratsaka, District Mampikony