Fanamboaran-dalana eto andrenivohitra

Manomboka eo Ampefiloha, mandalo ny CENAM, mipaka eny amin'ny Kianja Maki no ataon'ny Faritra Analamanga
Tao aorian'ny toromarika sy baiko nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA mikasika ny fanamboarana ireo lalana simba eto Antananarivo dia efa mamboatra ireo anjarany ny ato amin'ny Faritra Anamanga.
Lalana haharitra ireo lalana amboarinay amin'izao ankehitiny, hoy ny Governora Hery Rasoamaromaka, satria sarotiny amin'ireo fanamboarana ireo ny Filoha. Ezahina tsy hiandrasana ho tena simba be intsony manomboka izao ny lalana fa raisina ny andraikitra raha vao ahitana fahasimbana.
Marihina fa araka ny fitsinjarana asa teo amin'ny Ministeran'ny Asa Vaventy sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny Faritra Analamanga dia manomboka eo Ampefiloha mandalo ny CENAM sy Andohatapenaka ary mipaka eny amin'ny Kianja Maki no anjaran'ny Faritra Analamanga amin'ireo lalana hamboarina. Mbola hisy hafa rehefa vita ity andiany voalohany ity.