Ankizy 17.742 no hisitraka kopia
Noho ny fiaraha-miasa misy eo amin'ny Faritra Analamanga sy ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF), dia manatanteraka fizarana kopia ho an'ireo ankizy mbola tsy manana izany ny Faritra Analamanga. Olona miisa 17.742 no hisitraka izany ka ny 90% amin'ireo dia ankizikely avokoa ary ny 68% amin'izany dia ankizivavy.
Kaominina telopolo eo ho eo ato amin'ny Faritra Analamanga no anaovana ny fitsarana mitety vohitra ka voakasika amin'izany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny distrikan'Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Manjakandriana, Anjozorobe, Ankazobe, Andramasina ary Ambohidratrimo.
Nosantarina tao Talata-Volonondry ny fizarana kopia
Ny 15 desambra 2021 no natomboka tamin'ny fomba ofisialy tao amin'ny Kaominina Talata-Volonondry, distrikan'Antananarivo Avaradrano, notarihin'ny Governora Hery Rasoamaromaka ny hetsika fizarana kopia ka ankizy 300 no nisitraka izany tamin'io fotoana io.
Amin'izao fotoana izao dia efa maro ireo antontan-taratasy fangatahana kopia kirakiraina miaraka amin'ny Minisiteran'ny Fitsarana ka havoaka tsy ho ela mba hisitrahan'ny zaza malagasy ny zony.
Ireo taratasy ilaina
Isan'ireo taratasy takiana raha hangataka didim-pitsarana misolo kopiam-pahaterahana ny :
- Taratasy Fanamarinam-ponenana misy ny zaza.
- Karapanondron'ny ray amandreny.
- Karapanondron'ny vavolombelona roa.
- Bokim-pianakaviana (livret de famille) raha vita soratra ny ray sy renin'ilay zaza, na Taratasy fanjanahana avy amin'ny rainy raha tsy vita soratra izy mivady.
- Certificat de visite somatique.
- Demande de jugement.
Hetsika haharitra hatramin'ny Jona 2022
Raha tsiahivina dia ny 11 novambra 2021 no natao tetsy Ambohidahy ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin'ny Faritra Analamanga sy ny Organisation Internationale de la Francophonie pour l'Océan Indien. Nisolo tena ny roa tonta tamin'izany ny Governoran'Analamanga Hery Rasoamaromaka sy ny Masoivohon'ny OIF Léonard Emile Ognimba. Famatsiam-bola mitentina 187 944 000 Ar no nosoniavina tamin'izany izay tetikasa hifarana ny 22 Jona 2022.