FAMBOLEN-KAZO ANALAMANGA

Mandrosoa Ankazobe, PK85 RN4, Zoma 25 Febroary 2022

Ho fanatanterahana ny FANDRAKOFANA ALA an'i Madagasikara, araka ny Velirano faha-10, ny Faritra alamanga miaraka amin'ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana, ny Sampandraharaham-paritry ny Ala Analamanga ary ny Tetikasa DIABE dia hiara-hientana amin'ny fanokafana ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2022 ho an'ny Faritra Analamanga ny Zoma 25 Febroary 2022, eny Mandrosoa Ankazobe RN4-PK 85.