Taona vaovao 2022

FIFAMPIARAHABANA TRATRY NY TAONA
Noho ny taona vaovao dia tonga nitsidika sy niarahaba ny Governora Hery Rasoamaromaka tetsy amin'ny trano fiasany etsy Ambohidahy ireo vondron'olona sy fikambanana samihafa nahitana ny avy amin'ny TGV Tana-1, 4, 5, 6. ny Filohan'ny departemanta TGV Analamanga, TGV Ambatolampy, ny TGV Bongolava, sy ny talem-paritra any antoerana izay notarihan'Andriamatoa solombavambahoaka Haja Ramaherijaona, ny ben'ny tanàna avy ao Ankazobe,Tsiahafy sy Ampaneva, Association Jeunes Maires Analamanga. Tonga tao ihany koa ny ekipan'ny CFFA Andoharanofotsy notarihin'ny Ben'ny tananan'Andoharanofotsy sy ny Solombavambahoaka Andry RATSIVAHINY, ny Loholona Richard RAMANAMBITANA sy ireo mpiara-miasa aminy, ny Ekar Disrict Namehana, ny mpitandrina Advantista Rado RAKOTONANDRASANA; Lehiben'ny distrika sy ben'ny tanàna avy any Manjankandriana ary ny fikambanana TMH sy ny maro hafa.
Hirariana mba hitondra soa sy fanambinana ary indrindra fahasalamana hatrany ho antsika ity taona vaovao ity, hoy ny Governora.

 

Fihaonana tamin'ny mpanao gazety
Tamin'io andro io ihany koa dia naneho ny heviny mikasika ny toedraharaha sasantsasany malaza eto amin'ny firenena ny Governora Hery Rasoamaromaka. Nambarany tamin'izany fa tsy misy mahazo tombontsoa amin'ny fikorontanana na ny mpitondra na ny mpanohitra. Nohamafisiny koa fa tsy misy distrika hadinon'ny fitondram-panjakana eto Madagasikara ka isan'izany ny distrikan'Ikongo.