Nitombo hery i
EMNATI ka lasa Forte Tempête Tropicale. Any amin’ny manodidina ny 1386 Km atsinanan’i Sambava no nisy ny foibeny. Niakatra ho 100 Km/ora ny rivotra
entiny izay arahina tafiotra 140 Km/ora.
Mikisaka miakandrefana somary atsimo andrefana izy ka mahafaka 13 Km/ora.
Manambana ny morontsiraka atsinanana i
EMNATI ka ahiana hiditra an-tanety eo anelanelan’i Toamasina sy Vohipeno ny Talata faha 22 Febroary hoa avy izao amin’ny tanjaka Cyclone Tropical Intense (165 Km/ora).
Ho fiomanana sahady dia entanina ireto faritra manaraka ireto mba hampihatra ny fepetra mikasika filazana fanairana miloko maintso
: ANALANJIROFO, ATSINANANA, VATOVAVY, FITOVINANY, ATSIMO ATSINANANA.
Iangaviana araka izany ireo mponina voakasiky ny filazana mba hanaraka tsara ny toro marika omen’ny manam-pahefana eny ifotony.
Hanomboka hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina
ny Alahady ho avy izao.
Loharano : BNGRC
Iangaviana araka izany ireo mponina voakasiky ny filazana mba hanaraka tsara ny toro marika omen’ny manam-pahefana eny ifotony.