Fanamboaran-dalana eto an-drenivohitra

Fanamboarana ny lalana eny By-pass sy Ankadimbahoaka, 14 martsa 2022

Nitohy teny Ankadimbahoaka sy By-pass ny 14 martsa 2022 tontolo andro ny asa fanamboran-dalana ataon'ny Faritra Analamanga eto Antananarivo.
Somary niato izy tao anatin'ny andro vitsy satria mba hananana asa maharitra sy manara-penitra dia tara "goudron" tsara efa vita omana avy eny amin'ny COLAS no ampiasaina ka teo amin'ny famatsiana izany no nisy fahatarana.
Ny Faritra Analamanga dia miasa sy miezaka hatrany hananana zavatra tsara ka dia maneho etoana ny fialan-tsiny noho ny fahatarana sy ny mety ho.fanelingelenana amin'ny fifamoivoizana.

 

Mitohy ny asa eto andrenivohitra
Fizotry ny asa sahanin'ny Faritra Analamanga, 02-03 martsa 2022

Nitohy hatrany ny asa fanamboaran-dalana sahanin'ny Faritra Analamanga eto Antananarivo Renivohitra
Tetsy Ampefiloha, Ambohijanaka ary Bypass no nanohizana izany ny  02 sy 03 martsa 2022 rehefa vita ny tetsy Andohatapenaka .
Ny Faritra Analamanga dia mialatsiny hatrany noho ny fanelingelenana ny fifamoivoizana sy ny somary fahatarana kely amin'ny fanatanterahana ny asa noho ny fiavian'ny rotsak'orana isaky ny tolakandro.

 

Mitohy ny asa eto andrenivohitra
Nanara-maso teny ifotony ny Minisitry ny Asa Vaventy, 03 martsa 2022

NotsidihIn'ny Minisitry ny Asa Vaventy HATREFINDRAZANA Jerry sy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny izay notronin'ny Solombavambahoaka sy ny solotenan'ny CUA androany, 03 martsa 2022, ireo lalana izay nampijaly ny mpampiasa lalana sy isany niteraka fitohanan'ny fifamoivoizana sy mampitaraina ny vahoaka ao amin'ny fokontany 67ha, Antohomadinika, Vassacos ary ny lalana mampitohy an'Ambanidia (Station Shell) sy croisement Ambohipo hatrany Ambolokandrina.
Fotodrafitrasa mafy sy mateza ary maharitra no apetraky ny fitondram-panjakana amin'ny fanamboarana ireo lalana eto Antananarivo Renivohitra. Ny tsy fahampian'ny lakan-drano sy lalana ivoahan'ny rano no antony lehibe mahapotika ireo fotodrafitrasa. Mametraka tanjona amin'ny fanajana ny fenitra sy kalitaon'ny asa tanterahina amin'ny fanamboarana ireny lalana eto andrenivohitra ireny ny Minisiteran'ny Asa Vaventy.
Hentitra ny tenin'ny Minisitra HATREFINDRAZANA Jerry, nandritra ny fidianana ifotony nataony nijery sy nitondra toromarika ny amin'ireo lalana amboarina ireo.  
Nanamafy ny minisitra fa mifarimbona amin'ny asa fanamboarana ny kaominina Antananarivo sy ny Faritra Analamanga ary ny Minisiteran'ny Asa Vaventy. Mifameno ny asa sahanin'izy ireo fa ny fanamboarana ny asa goavana no ataon’ny Minisitera. Mitohy ny fanamboarana amin' izao fotoana izao ary hotohizana amin'ireo lalana hafa eto an-drenivohitra.
Mahakasika ny fanarenana ireo lalam-pirenena sy ny fanamboarana ireo tetezana simba dia miandry ny fiatoan'ny rotsak'orana vao tohizana ireo asa.
 

Mitohy ny asa ataon'ny Faritra Analamanga
Nanara-maso teny ifotony ny Governora Hery Rasoamaromaka, 28 febroary 2022

Taorian'ny fiatoan'ny asa fanamboaran-dalana ny farany herinandro teo noho ny orana dia nitohy izany androany, 28 febroary 2022,  ka nidina teny an-toerana ny Governora Hery Rasoamaromaka sy ireo mpiara-miasa aminy nijery ifotony ny kalitaon'ny asa sy ny fanafainganana izany.
Ny Faritra Analamanga dia maneho hatrany ny fialan-tsiny noho ny fanelingelenana eo amin'ny fifamoivoizana saingy efa miezaka ireo mpiasa mpanao ny lalana hamita izany haingana, hoy ny Governora.

 

 

Nijery ifotony ny fizotry ny asa ny Minisitra Hatrefindrazana Jerry, 25 febroary 2022

Manoloana ny fahasimban-dalana mampimenomenona ny mpampiasa lalana eto an-drenivohitra dia miroso amin’ny fanamboarana ny Minisiteran’ny Asa Vaventy sy ny Faritra Analamanga.
Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fanamboarana ny lalana Anosibe – Anosipatrana. Tonga teny an-toerana nijery ifotony ny fanombohan'ny asa ny Minisitry ny Asa Vaventy, HATREFINDRAZANA  Jerry.
Nandritra ny fidinana ifotony no nilazan’ny minisitry ny Asa Vaventy fa efa misy fizaran’asa napetraky ny Filohan’ny Repoblika mahakasika ny fanamboaran-dalana. Fanamby napetrany rahateo ny hamerenana amin’ny laoniny ny lalana eto an-drenivohitra, hoy hatrany ny minisitry ny Asa Vaventy. Ny fahasimbana lehibe toy ny eny Anosipatrana dia andraikitry ny Minisitera, nohon'ny fanarenana tsy vitan’ny tetikasan’ny kaominina intsony satria mila fitaovana lehibe.  
Ankoatra ny eny Anosipatrana, miisa 17 ireo “axes” hamboarina eto Antananarivo.
    -Axe Croisement Tsena Isotry - 67Ha,
    -Axe Croisement Ambodin'Isotry - BMH
    -Axe Rond Point Andranomanalina - arrêt 30,
    -Axe Arrêt 30 - Vatobe 67 Ha,
    -Axe Vatobe vers 67Ha Nord Est,
    -Axe Croisement Seimad - Jovenna 67 Ha,
    -Axe FOP vers Vatobe,
    -Axe Coum 67 - Cenam,
    -Axe Jovena arrêt Itaosy (zoky Éric),
    -Axe Super Maki - Ravitoto,
    -Axe Arrêt 30 - Vatobe vers poste 67 ha ».
 

Fandrakofana tara : Natomboka teny Andohatapenaka sy By-pass, 19 febroary 2022
 
Nanomboka ny sabotsy 19 febroary 2022 ny fandrakofana tara (goudron) ireo lalana simba eto Antananarivo amin'ireo iandraiketan'ny Faritra Analamanga. Ny eny amin'ny By-pass sy Andohatapenaka no nanombohana izany androany ary hitohy amin'ireo lalana hafa iandraiketan'ny Faritra Analamanga.
Tsara marihina fa ny Faritra Analamanga dia miezaka ny manao ireo asa izay ataony mba hanara-penitra hatrany. Noho izany dia tara (goudron) manarapenitra tany amin'ny COLAS no ampiasaina amin'izao fanamboaran-dalana ataony izao. Izany no isan'ny somary nahatara kely ny fandrakofana goudron ireo lavaka satria niandry ny andro ho maina tanteraka. Maneho ny fialan-tsiny ho an'ny fanelingelenana ny Faritra Analamanga.
 

Fizotry ny asa teny By-Pass, 21 febroary 2022