Natomboka tamin'ny fomba ofisialy tao Mandrosoa Ankazobe, 25 Febroary 2022
Natomboka ny Zoma 25 Febroary 2022 tamin'ny fomba ofisialy tao amin'ny fokontany Mandrosoa, distrikan' Ankazobe ny fambolenkazo ho an'ny Faritra Analamanga amin'ity taom-pambolena ity. Hiparitaka maneraka ny distrika hafa ato Analamanga izany avy eo.
Velaran-tany 5 ha no novolen'ny mpiasa ao amin'ny Faritra Analamanga sy ny mponina eny an-toerana zanakazo 5500 fototra.
Araka ny Vinan'ny Filoha Andry RAJOELINA hoe : "Rakofantsika hazo i Madagasikara" dia entanina ny isan-tokantrano mba hamboly hazo satria ho an'ny taranaka fara sy dimby no anaovana izany.
Isaorana ny vondrona Eoroperanina nanampy tamin'ny fanatanterahana ity tetikasa Afafi ity " hoy Rasoamaromaka Hery, Governoran'ny faritra Analamanga.
Mpiara-miombon'antoka maro no nanampy tamin'ny fanatanterahana izany toy ny STOI izay nanolotra zezika 2.5 T, BACE, UCS, Action Intercoopération Madagascar (AIM), Planète Urgence, CIRAD, PARTAGE, Lycée ary ny CEG Ankazobe III ka isaorana manokana.
Isan'ny toerana malaza amin'ny doro tanety ny ao Ankazobe ka isan'ny tetika nampiasaina tamin'ity voly hazo ity ny fambolena ireo zanakazo eny amin'ny tanin'olona manokana ka ho azo antoka ny fanaraha-maso azy ireo. Nentanina ihany koa ny rehetra hamboly hazo fihinamboa satria sady azo hotazana no miaro ny tontolo iainana.
Tonga tany an-toerana nanatanteraka izao fambolekazo izao ny solombavambahoaka avy ao amin'ny distrikan'Antananarivo voalohany, fahatelo ary fahaenina. Teny an-toerana ihany koa ny Solombavambahoakan' Ankazobe sy ny ben'ny tanàna any an-toerana.