Andron'ny Vehivavy - Faritra Analamanga

08 martsa 2022 : Fety be etsy Betongolo
15 martsa 2022 : Fanamarihana rejionaly any Antanetibe-Mahazaza

Toy ny fanao isan-taona, manerana ny firenena maro, dia manamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy koa isika eto Madagasikara ny Talata 08 martsa 2022. Any Antsirabe no hatao ny fanamarihana nasionaly ho an'ny firenena Malagasy. Tany Manakara no saika hanamarihana ity andron'ny 08 martsa 2022 ity ho an'ny sehatra nasionaly nefa noho ny fandaminana dia izao narindra any Antsirabe izao. Ny lohahevitra noraisina dia ny hoe "Viavy miavotse, miatrika sy mifanampy, taratry ny fitovian-jo sy  antoky ny fampandrosoana lovain-jafy". Ankoatra izany anefa dia samy hanamarika izany avokoa ny Faritra rehetra amin'ny fanamarihana rejionaly. Ho an'ny Faritra Analamanga dia ny Talata 15 martsa no hatao ny fanamarihana rejionaly izay hotanterahina any Antanetibe Mahazaza, distrikan'Ambohidratrimo.
Ankoatra io fanamarihana rejionaly hotontosaina any Antanetibe Mahazaza io dia hisy ihany koa ny hetsika goavana hatao etsy amin'ny Kianja Betongolo, Antananarivo faha-III, ny datin'ny Talata 08 Martsa 2022. Handray anjara eto avokoa ireo distrika 13 ato amin'ny Faritra Analamanga. Samy hanana tranoheva izy ireo hanaovany ny varotra fampirantiana hampisongadinany ny mampalaza azy ireo tsirairay avy. Tranoheva telopolo mahery no hohita amin'izany. Hisy ihany koa ny filaharam-be ataon'ireo fikambanam-behivavy samihafa avy any amin'ny distrika arahin'ny fampisehoana rindran-kira ataon'ny mpanakanto. Hampiavaka ity hetsika hatao etsy Betongolo ity ihany koa ny fandraisam-pitenenana ataon'ireo solotena isaky ny distrika.

Tsiahy fohy momba ny andron'ny vehivavy
Efa tamin'ny taon-jato faha-XIX no nisy ny fihetsiketsehan'ny vehivavy tany Eoraopa nitakian'izy ireo ny zony, indrindra ny zo hifidy. Teo amin'ny tontolon'ny asa, ny firoboroboan'ny indostria dia niteraka ny fidiran'ny vehivavy maro ho mpiasan'ny orinasa nefa tao anatin'ny fepetra ratsy dia ratsy sy karama ambany miohatra amin'ny karaman'ny lehilahy. Tany amin'ny fiandohan'ny taonjato faha-XX dia nivoatra ny fitakiana ny fanatsarana ny fiahiana ara-tsosialy ho an'ny vehivavy miasa sy ny fisondrotan-karama hitovy amin'ny karaman'ny lehilahy tany Eoraopa sy Etazonia. Ny taona 1910, ilay vehivavy tera-tany alemà atao hoe Clara Zetkin, mpanaraka ny fotokevitra sosialista, dia nangataka ny hanokanana andro iray iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy. Mbola tsy voafaritra ny daty tamin'izany.
Ny 8 martsa 1917, tao anatin'ny ady lehibe voalohany, ireo mpiasa vehivavy tao amin'ny orinasa mpanao lamba iray tao Saint-Petersbourg tao Rosia dia nanao fitokonana ho fanoherana ny vokadratsy ateraky ny ady. Io fihetsiketsehana io dia notohanan'ireo miaramila sy mpiasa an'arivony tao aoriana kely ary izay no niantombohan'ny "revolution russe". Taorian'izay nitsangana ny Repoblikan'i Rosia. Nanan-jo hifidy ny vehivavy.
Ny taona 1977, nankatoavin'ny Firenena mikambana (ONU) ny datin'ny 8 martsa ho andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy. Maro ny zon'ny vehivavy hotandrovina ao anatin'izany toy ny : zo hifidy, fitovian'ny karama, zo hianatra, ady amin'ny herisetra ara-nofo sy ara-pananahana...