Ny kaominina Antanetibe-Mahazaza ao amin'ny distrikan'Ambohidratrimo no nandray ny fankalazana rejionaly ny andron'ny Vehivavy taona 2022 ho an'ny Faritra Analamanga. Ny talata 15 martsa 2022 izany no natao. Nisongadina nandritra ny lanonana fa tsy azo ekena intsony ny fanasokajiana ny vehivavy ho fanaka malemy satria manana ny fahaiza-manao mitovy amin'ny lehilahy ihany koa ny vehivavy. Nampahafantarina teto fa efa tafatsangana ny Fikambanam-behivavy VIAVY MIAVOTSE ato amin'ny Faritra Analamanga ka Ramatoa Rajaonah Hoby no filohany. Filaharam-be nataon'ireo fikambanam-behivavy sy varotra fampirantiana asa tanana, nandraisan'ireo distrika 13 ato Analamanga anjara no nanamarihana ny fotoana.
Nankalazaina tetsy amin'ny Kianjan'ny Betongolo androany 08 martsa 2022 ny "andro iraisam-pirenena ho an'ny Zòn'ny Vehivavy" tato amin'ny Faritra Analamanga.
Fikambanam-behivavy maro no tonga nanotrona izany fankalazana izany teny an-toerana izay notronon'ireo manampahefana maro isan'ambaratongany ka ny Solombavam-bahoaka Vehivavy voafidy teto Antananarivo faha-3, Ramatoa Rafenomanantsoa Aina no nisolo tena azy ireo nandray fitenenana.
Nisy moa ireo tranoheva nampiratiana sy nivarotana ireo vokatra sy asatanan'ireo vehivavy sy fikambanam-behivavy maro. Taorian'ny hetsika teo Betongolo dia nisy ihany koa ny fizarana fanampiana ho an'ireo fikambanam-behivavy sy zokiolona vehivavy tao amin'ny Kianja mitafo Besarety.
"Ny Fitoviana ankehitriny, antoky ny ho avy mamiratra". Io no teny filamatra nentin'ny Faritra Analamanga nanamarihana ny andron'ny vehivavy tamin'ity taona ity. Ny fanamarihana ofisialin'ny andron'ny vehivavy ho an'ny Faritra Analamanga dia hotanterahina any Antanetibe-Mahazaza, distrikan'Ambohidratrimo, ny Talata 15 martsa 2022. Marihina fa ny Faritra Vakinankaratra no nandray ny fanamarihana nasionaly ka ny teny novohizina tamin'izany dia ny hoe "Viavy miavotse, miatrika sy mifanampy, taratry ny fitovian-jo sy antoky ny fampandrosoana lovain-jafy".
Ny renivohitr'i Vakinankaratra no nandray ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tamin'ity taona 2022 ity. "Viavy miavotse, miatrika sy mifanampy, taratry ny fitovian-jo sy antoky ny fampandrosoana lovain-jafy", io no lohahevitra nobanjinina tamin'izany. Nitarika ny fotoana tany an-toerana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny vadiny Mialy Rajoelina izay Reny mpiahy ny vehivavy Malagasy rehetra. (sary : Fiadidiana ny Repoblika, Kabinetra Minisiteran'ny Mponina)