Fiaraha-miasa

Hanampy ara-bola sy hiara-hiasa amin'ny Faritra Analamanga ny PNUD

Nihaona tamin'ny Governoran'ny Faritra Analamanga, Hery RASOAMAROMAKA androany 09 martsa 2022, ny Lefitry ny Solotena maharitry ny PNUD eto Madagasikara Andriamatoa Henry-René DIOUF.
Ny vontoatin'ny fihaonana dia ny ho fiharaha-miasa eo amin'ny roa tonta dia ny Faritra Analamanga sy ny PNUD (Programme des Nations Unies pour le Développement) izay miompana indrindra amin'ny atao hoe "Renforcement de résilience territoriale pour le développement durable de la Région Analamanga".
Distrika 4 ato Analamanga no hiompanan'ny tetikasa dia ny Distrikan'Ambohidratrimo (Kaominina Mahitsy), Distrikan'Ankazobe (Kaominina Ambolotarakely),  Distrikan'Anjozorobe (Kaominina Betatao) ary Antananarivo Renivohitra.
Hisy ny tetibola hatolotry ny PNUD amin'izany hanatanterahana tetikasa maro izay hiarahan'ny roa tonta mandinika. Mbola hitohy noho izany ny fihaonan'ny teknisianina avy amin'ny PNUD sy ny Faritra Analamanga.