Nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny zoma 11 martsa 2022 ny Governora Hery Rasoamaromaka, niresahany mikasika ny raharaham-pirenena indrindra ny resaka fanoloana izay ho mpikambana ao anaty governemanta na remaniement.
Nambarany àry fa : "Aoka ny Filoha izay lany tamin'ny fomba demokratika no hisafidy izay ho mpikambana ao anaty governemanta izay fantany fa mbola mahavita sy izay efa tokony ho soloina.
Aoka hajanona ny filazana foko sy fihaviana ho entina handrangitana adim-poko sy fifankahalana eo amin'ny samy Malagasy, satria isika dia samy Malagasy avokoa ary avy eto Madagasikara.
Aza omena tery "pression" sy fandrahonana ny amin'izany ny Filoha Andry RAJOELINA fa tsy mety izany.
Misy koa ireo antoko milaza fa nanohana ny Filoha ka aza kitihina hono. Ny fanohanana ny Filoha dia tsy voatery ho oa anaty Governemanta ihany fa maro lafy. Ka raha tena mpanohana ny Filoha tokoa ianao sy ny antokonao fa tsy sadasada na manana tanjona hafa ambadika, dia tsy hametraka olana na tsy ao anaty Governemanta aza.
Mahakasika ny fisokafan'ny mpikambana ao anaty govermemanta indray dia nampatsiahivin'ny Governoran'Analamanga fa efa nisokatra ny Filoha hatramin'zay. Tsy TGV na mpiray antoko aminy avokoa akory ireo efa nandalo sy mbola tafajanona ao amin'izao. Nambarany fa ny antoko TGV dia tsy hiady ny tsy maintsy ho mpikambana handrafitra izany governemanta izany satria malalaka amin'ny safidiny ny Filoha amin'izay fantany fa hahavita ny andraikitra sy ny vina tiany hotratrariny. Ny Antoko TGV dia manaiky sy manaja ny safidy sy ny fanapahan-kevitry ny Filoham-pirenena sady Filoha mpanorina ny antoko rahateo.
Raha fehezina ny hevitry ny Governora Hery Rasoamaromaka, mahakasika ny fanoloana ny mpikambana ao amin'ny governemanta dia : Aleo halalaka amin'ny safidiny amin'ireo mpiara-miasa aminy ny Filoha fa aoka tsy hasiana teritery satria fampandrosoana no tanjona.
ANTOKO TANORA MALAGASY VONONA
Antoko TGV Ambatolampy : Nankalaza ny faha 13 taona
Nankalazaina ny 13 martsa 2022 tao Ambatolampy ny faha 13 taonan'ny Antoko TGV Departemanta Ambatolampy.
Tonga nanatrika izany tanty an-toerana ny SN ny antoko TGV Faritanin'Antananarivo Hery Rasoamaromaka sy ireo mpiara-miasa aminy, ny Solombavam-bahoaka Ambatolampy izay lany tamin'ny tsy miankina, ny Solombavambahoaka voafidy tao Antananarivo Atsimondrano, ny Minisitry ny Atitany teo aloha Tinarivelo izay zanak'Ambatolampy, ny mpandrindra nasionaly TGV Vakinankaratra, ny filohan'ny TGV Ambatolampy, ireo ben'ny tànana 19 mandrafitra ny distrikan' Ambatolampy, ny ben'ny tanànan' Antsirabe, ary ireo mpikatroka TGV ao amin'ny distrikan'Ambatolampy izay voasolotena avokoa. ...