Lycée sy CEG Androhibe Antsahadinta

CEG Androhibe Antsahadinta, 23 martsa 2022
Noho ny fitombon'ny mpianatra ao amin'ny CEG Androhibe Antsahadinta, distrikan'Antananarivo Atsimondrano, dia nampian'ny Fitondram-panjakana tarihin'ny Filoha Andry RAJOELINA, avy amin'ny alalan'ny Faritra Analamanga ny efitrano fianarana ao amin'ny CEG Androhibe Antsahadinta.
Nisy ny fanorenana efitrano fianarana 3 izay eo andalam-pahavitana ankehitriny.
Nidina teny an-toerana ny teknisianina sy ny STAFF avy ao amin'ny Faritra Analamanga nijery ifotony ny fizotry ny asa.
 

Lycée Androhibe Antsahadinta, 23 martsa 2022
MADIVA HO VITA ARY AZO AMPIASAINA TSY HO ELA.
Nijery ifotony ny fizotry ny asa fanamboarana ny Lycée manarapenitra ao Androhibe Antsahadinta, ny 23 martsa 2022, ireo teknisianina sy  STAFF ao amin'ny Faritra Analamanga.
Izao no natao dia ho fanatanterahana ny Velirano izay nampanantenain'ny Filoha Andry RAJOELINA.
Ity Lycée ity ity dia ahitana efitrano fianarana miisa 6 ary efitrano 2 natokana ho Birao.
Raha ny hita teny an-toerana dia efa madiva ho vita izy ity ary efa mamaraparana ny asa ny orinasa tompon'andraikitra manao ny asa. Vantany vao vita tanteraka izy ity dia hampiasaina avy hatrany satria amin'izao fotoana izao dia mifandimby efitrano ny Lycée sy ny EPP. Hivaha tsy ho ela noho izany olana.