Lalana Tsiafahy, 28 martsa 2022
Tany amin'ny Kaominina Tsiafahy, distrikan'Antananarivo Atsimondrano, ny alatsinainy 28 martsa 2022, no nanohizana ny fitsidihana nataon'ireo teknisiana sy mpitantana ao amin'ny Faritra Analamanga. Nojerena manokana tamin'izany ny lalana rarivato tany an-toerana.
Araka ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA dia mila mamita lalana pavé maro isa-taona ny Faritra ka ho fanatanterahana izany toromarika izany no anton'izao fanamboaran-dalana izao.