Ramatoa RATSIHAROVALA Farasoambolanoro, SG vaovao

FANOLORANA NY SEKRETERA JENERALY VAOVAO TAMIN'NY MPIASA SY FIFAMINDRAM-PAHEFANA
Androany Alatsinainy 11 Aprily 2022 no naseho ny mpiara miasa ato amin'ny Faritra Analamanga nandritra ny fananganan-tsaina ny Sekretera Jeneraly vaovaon'ny Faritra Ramatoa RATSIHAROVALA RANDRIAMAMPIONONA teraka ANDRIATSIMIHETRY RAMESY Farasoambolanoro Marie Jackia izay hisolo an'Atoa RAVOMANANA Vincent izay handeha hisotro ronono.
Avy eo dia niroso avy hatrany tamin'ny fifamindram-pahefana ny roa tonta.
Nanamafy ny Sekretera Jeneraly vaovao fa hanao tsaratsara kokoa noho ny vitan'ny teo aloha ary ny niala nande nisotro ronono kosa dia nanome toky fa hampita ireo traikefa ananany.
 

11/04/22