Nafana tsy nisy toa azy ny fitsangatsanganana teny Analamanga Park ny Alatsinainin'ny Paska 18 Aprily 2022. Ity rahateo no Alatsinainin'ny Paska voalohany teto Analamanga Park taorian'ny fanavaozana lehibe nataon'ny Faritra Analamanga tamin'ity toerana ity izay zary lasa haolo sy tsy niasa intsony nandritra ny taona maro. Ny mpanakanto Misie Sayda sy ny tarika Tana Gospel Choir (TGC) no nanafana ny sehatra teny an-toerana. Namaly ny antso ny mpankafia ary afa-po avokoa satria samy nahazo ny sahaza azy ny sokajin-taona rehetra.
Niara-nikalo tamin'ny mpankafy rehetra i Misie Sayda tamin'ireo hira tsy afaka am-bavan'ny maro sy ireo hira vaovao
Nampientanentana ny rehetra ihany koa ny Tana Gospel Choir (TGC) notarihin'ny Coach Fidy
Tsy fijerena rindran-kira fotsiny ihany no nisy teny Analamanga Park fa amin'ny maha toeram-pitsangatsanganana azy dia maro no nanararaotra niala voly tamin'ny lalao sy fanatanjahantena isan-karazany. Ny toerana rahateo azo ivalamparana tsara.
Mbola hafa ihany Analamanga Park