Taorian'ny fihaonan'ny Governoran'Analamanga sy ny Ben'ny tanàna voafidy tao amin'ny Kaominina Ambohitrimanjaka, distrikan'Ambohidratrimo, dia nisy ny fangatahan'ny Kaominina Ambohitrimanjaka ireo fitaovana hanamboaran-dalana eny antoerana.
Mba ho fampandrosoana ny Kaominina rehetra eto Madagasikara araka ny tenin'ny Filoha Andry RAJOELINA dia natolotry ny Faritra Analamanga mba hampiasaina amin'ny fanamboaran-dalana ao anatin'ny Kaominina Ambohitrimanjaka sy ireo lalana mampitohy Kaominina hafa ny engins 2 sy camion citerne hanamboarana izany lalana izany.
Ny fampandrosoana Firenena dia tsy hifidianana antoko politika, hoy ny Governora Hery Rasoamaromaka.