Distrikan'Andramasina, nitsidika tany antoerana ny Governora

Ny faharatsian'ny lalana no olana lehibe iraisan'ireo kaominina maro

Nidina  ifotony tany amin'ny Distrikan' Andramasina ny Governoran'Analamanga Hery Rasoamaromaka sy ireo  mpiara-misa aminy nahitana injeniera maro ny Alakamisy 28 Aprily 2022.
Anisan'ny voatsidika  tamin'izany ireto kaominina manaraka ireto : Andramasina, Alatsinainy Bakaro, Fitsinjovana Bakaro, Anjomà Faliarivo, Ambohimiadana, Alarobia Vatosola, Sabotsy Manjakavahoaka ary Mandrosoa. Ny lalana no olana fototra iraisan'izy ireo izay ahitana fiantraikany mivantana amin'ny famoahana ireo vokatra maro any an-toerana.
Nisy arak'izany ny vahaolana fohy ezaka sy lavitr'ezaka niarahana nijery tamin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny tamin'ireo kaominina nolalovana. Hisy ireo "points noirs" hatao pavé ary halefa avy hatrany any an-toerana ireo "engins" hanao ireo asa azo atao.
Ny Governora dia maneho fisaorana etoana ho an'ireo tompon'andraiki-panjakana (Solombavambahoaka, Ben'ny tanàna, Mpanolotsainan'ny tanàna...) rehetra tamin'ny fiarahana misalahy amin'ny fijerena ny ho tombotsoam-bahoaka ary manantena ny fiaraha-miasa hatrany.