Araka ny toromarika nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA amin'ny hanafoanana ireo lavadavaka eto Antananarivo dia nitohy teny Ankorondrano ny 30 aprily 2022 ny asa fanamboaran-dalana fanampenana ireo lavaka sahanin'ny Faritra Analamanga ary mbola mitohy hatrany ihany koa ny eny amin'ny ByPass.
Nidina teny an-toerana nijery ny fizotry ny asa tamin'izany ny Governoran'Analamanga, Hery Rasoamaromaka sy ireo mpiara-miasa aminy nanara-maso izany asa izany.
Maneho hatrany ny fialan-tsiny ho an'ny mpampiasa lalana noho ny fanelingelenana ny tenany.
Mitohy ny fanampenana ireo lavadavaka amin'ny arabe eto Antananarivo sy ny manodidina
Niverina nitohy androany ny 29 aprily 2022 asa fanampenana ireo lavaka amin'ny lalana izay sahanin'ny Faritra Analamanga.
Etoana ny Faritra Analamanga dia maneho ny fialan-tsiny indrindra noho ny fiatoan'ny asa noho ny fifandaminana nisy teo amin'ny orinasa COLAS mpamatsy ny goudron. Mbola maneho hatrany ny fialan-tsiny ihany koa amin'ny fanelingelenana ny fifamoivoizana ateraky ny asa fanamboaran-dalana toy izao.
Ny tanjona dia ny tsy hisian'ny lavadavaka eny amin'ny arabe fifamoivoizana intsony.