Nifanandrify indrindra tamin'ny "andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety", 03 may 2022, dia natolotry 'ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO sy ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Analamanga Mbola RATSIHAROVALA RAMESY izay nisolo tena ny Govenora, tamin’ny fomba ofisialy ny birao fiasan’ny Holafitry ny mpanao gazety etsy Ambohidahy.
Taorian'ny fangatahana fiaraha-miasa nataon'ny Filohan'ny Holafitry ny mpanao gazety RASOLOARISON Harimbola Monica dia nanolo-tanana ny Faritra Analamanga nanamboatra sy nanavao ny trano mba hahafahan'ny OJM miasa.
Ny trano sy tany etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy dia an'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina fa ny fanatanterahana ny fanamboarana sy fanavaozana ny trano kosa dia nosahanin'ny Faritra Analamanga.
Tsapan'ny Faritra Analamanga fa manana anjara toerana lehibe eo amin'ny fampandroasoana ny Firenena ny asa fanaovan-gazety ka noho izany indrindra no tsy nihafahafan'ny avy ato amin'ny Faritra Analamanga nanampy azy ireo amin'ny fanamboarqna ity birao ity mba hahafahan'ny OJM mandrindra ireo mpanao gazety amin'ny fanaparitahana vaovao marina sy marimpototra amin'ny fomba haingana.