Lalana ao Talata-Volonondry sy Ampaneva

Nijery ifotony ny fizotry ny asa ny Faritra Analamanga

Nisy ny fidinan'ireo mpiara-miasa sy teknisianina ao amin'ny Faritra Analamanga ny Alarobia 04 mai 2022 nijery ny fizotry ny asa fanamboarana lalan-tany tany amin'ny Kaominina Talata-Volonondry Distrikan'Antananarivo Avaradrano sy tany amin'ny Kaominina Ampaneva Distrikan'i Manjakandrina.
Lalana maromaro no iandraiketan'ny Faritra Analamanga any amin'ireo toerana ireo ary misy ny efa vita ary misy koa ireo eo andalam-panamboarana.
Tanjona moa ny tsy hanadinoana ireo distrika rehetra araka ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA.
Nisy moa ny fihaonana tamin'ireo ben'ny tanana any amin'ireo toerana anamboarana lalana ireo.