Hetsika faobe fanaovam-bakisiny hiadiana amin'ny kitrotro sy fizarana vitamina A

Tanterahina ny 16 hatramin'ny 22 may 2022

Hetsika fanaovam-bakisiny miaro amin`ny kitrotro ho an`ny zaza 9 ka hatramin`ny 59 volana ary fizarana Vitamine A ho an`ny zaza 6 ka hatramin`ny 59 volana, izay atao manerana ny Madagasikara.
Entanina isika ray aman-dreny rehetra hitondra ny zazanatsika eny amin`ny tombim-pahasalamana na ireo toerana voatokana hanaovana izany.

“HAMAFISO NY HERY FIAROVANA NY ZANAKAO AMIN`NY ALALAN`NY VAKISINY FANEFITRA NY KITROTRO SY FIHINANA VITAMINA A”