Lalana Antananarivo Renivohitra

Androany 18 febroary 2021 dia nisy ny fidinana teny 67ha miainga eo amin'ny "Coco Plastique" mankeny amin'ny Vatobe - Ny Havana - Poste sy Ambondrona nataon'ny Governoran'Analamanga sy ny Ben'ny Tananan'Antananarivo nitsidika ny fahavitan'ny.asa.
Vita soa aman-tsara ny fanamboaran-dalana natao teo 67Ha sy teo Ambondrona ka 2 volana latsaka teo no faharetan’ny asa.
Maro ireo lalana efa ho vita toy ny eo Behoririka, Ambohijatovo ary Namontana.
Efa hanomboka tsy ho ela ihany koa ny eo Antohomadinika, Andraisoro ary Nanisana.
Miara-mientana ankehitriny ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Governoran’ny Faritra Analamanga sy ny Minisitera, amin’ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo.
Hisy ny fanaraha-maso azy ireny. Fa manentana antsika mponina eny an-toerana sy mpivezivezy mba ho sarotiny amin’ny fanajana azy ireny mba haharitra.

18/02/21