Ny Alatsinainy 06 Jona 2022 no Alatsinainin'ny Pantekosta voalohany nankalazaina tety Analamanga Park taorian'ny fanavaozana goavana nataon'ny Faritra Analamanga tamin'ity toerana ity. Niavaka ny nankalazana izany satria ny Pasteur Jocelyn Ranjarison no nanao fampisehoana ara-pilazantsara sy fitoriana teny an-toerana ny tolakandro. Ny maraina dia nisy Zumba teny an-toerana ary maro ireo mpitsangatsangana no nandray anjara tamin'izany. Sady mitsangatsangana no manao fanatanjahantena kely amin'ny dihy mirindra ireo mpitsangatsangana teny Analamanga Parka ny Alatsinainin'ny Pentekosta 06 Jona 2022. Na ankizy na tanora na zokiolona dia samy nientanentana teto avokoa niaraka tamin'ny Slash Crew Amin'ny maha fety kristianina ny Pentekosta dia niavaka ny teny Analamanga Park satria Fampianarana sy Toriteny niaraka tamin'ny hira ara-pilazantsara no nanohizana ny fansaharam-potoana ny tolakandro, niaraka tamin'ny Pasteur Jocelyn Ranjarison. Samy nahazo ny tandrify azy ny tsirairay tonga teny Analamanga Park. Ny Faritra Analamanga tarihin'ny Governora Hery Rasoamaromaka kosa dia misaotra ireo rehetra namaly ny atso ka tonga teny an-toerana nanamarika ny Alatsinainin'ny Pentekosta 06 Jona 2022
Maro ny olona namaly ny antso ary afa-po avokoa izay tonga teny an-toerana satria samy nahazo ny sahaza azy avokoa.