Ankazobe-Tsenabe'ny Fampandrosoana

Nomarihana ny Alatsinainy 20 Jona 2022 tao Ankazobe ny fanombohan'ny "Tsenaben'ny fampandrosoana 2022 Ankazobe".
Ny taona 2004 no nisy FOARA farany tany an-toerana  dia izao nofohazina izao indray ka ny Governora Hery Rasoamaromaka no niahy ity hetsika ity.
Nambaran'ny Governora tamin'izany fa Tena ilaina tokoa ny hetsika toy izao, eny fa na dia eo amin'ny samy vahoaka aza satria afaka miserasera sy mifandray ny vahoaka ka ilaina ny hanohizana izany isan-taona. Ny Faritra dia eo hatrany manampy amin'ny fikarakarana satria endrika fampandrosoana ho fanampiana ny mpamokatra sy ny mpamboly ny hetsika toy izao.
Isany namerenana izao hetsika izao ny mba hanamafisana ny firaisan-kiana ka nisaoran'ny Ben'ny tanàna ny fitsinjovana manokana ny tanana'Ankazobe, satria anisan'ireo nisitraka fotodrafitrasa maro ny ao an-toerana ka isaorana manokana ny Filoha Andry RAJOELINA.
Haharitra hatramin'ny fetin'ny Fahaleovan-tena izao hetsika izao, izay ho faranana amin'ny Hiragasy goavana.

20/06/22