26 Jona 2022 Matso lehibe teo Mahamasina

Niavaka ny fankalazana ny Fetim-pirenena tetsy Mahamasina

Niavaka ny lanonana lehibe notanterahana tetsy amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny Alahady 26 Jona 2022 ho fankalazana ny faha-62 taona niverenan'ny fahaleovantena sy ny faha-62 taona nijoroan'ny Foloalindahy Malagasy. Ankoatra ny matso toy ny fanao isan-taona dia nisy ihany koa ny fampisehoana fahaiza-manao nataon'ireo mpiangaly haiady. Nahaliana ny rehetra ihany koa ny fisarihana ny tombola izay nahazoana fanomezana marobe ka ny isan'izany ny tranomora iray eny Imerintsiatosika, moto, finday raitra dia raitra sy ny hafa. Ny tolakandro kosa dia nitohy tamin'ny rindran-kira ny fotoana ka mpanakanto maro avy amin'ny lafivalon'ny Nosy no nandray anjara tamin'izany.
Taorian'ny fankalazana ny Fetim-pirenena dia naneho fisaorana ho an'ny vahoaka Malagasy iray manontolo ny Filoha Andry Rajoelina. Toy ny fanao isan-taona ihany koa, amin'ny vanim-potoana toy izao, dia nandray fanapahan-kevitra hanome fanalefahan-tsazy faobe ny Filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA ho an'ireo olona voaheloka amin’ny sazy tsy ahazoana fahalalahana araka ny voalaza ao amin'ny didim-panjakana laharana faha 2022-957.

sary : Présidence, MDN