Vidin-tsolika, hita ny marimaritra iraisana

Solika : 4.900 Ar ny Gasoil, 5.900 Ar ny Super Carburant, 2.430 Ar ny solika fandrehitra

Taorian'ny dinika sy fakan-kevitra niarahan'ny Filoha Andry Rajoelina sy ireo mpisehatra rehetra mahakasika ny solika dia hita ny marimaritra iraisana hamerana ny vidin-tsolika eto Madagasikara.

Toy izao ny fanambarana avy amin'ny Minisiteran'ny Angovo sy ny Akoranafo, sy ny OMH.

FANAMBARANA 
Ho tohin’ny fakan-kevitra marolafy niarahana tamin’ny sehatra tsy miankina, sy ny fiarahamonimpirenena, ary ireo vondron’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, dia notanterahina ny Alahady 10 jolay 2022, tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fihaonana niarahan’ny Fitondrampanjakana sy ny Vondron’ny mpandraharahan’ny solika eto Madagasikara -  fivoriana izay nifarana tamin’ny 1 ora maraina.
Niady mafy ny Fitondrampanjakana ho fitsinjovana ny tombontsoan’ny vahoaka ary nimasoana ny tsy hampiakatra be loatra ny vidin’ny solika izay tsy azo iodivirana noho ny fiarakarana sy fidangan’ny vidin-tsolika manerantany. Tapaka tamin’izany ary fa raha tokony ihoatra ny 6.000 Ariary ny litatry ny solika dia noferana ho 4.900 Ariary ny Gasoil, ary  5.900 Ariary ny Super Carburant.
Mba ho fitsinjovana ireo tokantrano maro an’isa kosa – indrindra ny tontolo ambanivohitra – izay mampiasa ny solika fandrehitra, dia noferana ho 2.430 Ariary raha toa ka tokony ihoatra ny 4.100 Ariary ny litatr’izany.
Manohy ny ezaka hatrany ny Fitondrampanjakana, koa araky ny fifanarahana tamin’ny vondron’ireo mpandraharahan’ny solika dia hikaroka famatsiana amin’ny tolotra moramora kokoa eo amin’ny tsena iraisam-pirenana ny Fitondrampanjakana mba ialana amin’izay mety ho fiakarana manaraka.
      Antananarivo 11 Jolay 2022

 


Saran-dalana Taxi-be : 600Ar

Ny tombotsoan'ny vahoaka Malagasy no laharam-pahamehana. Tapaka nandritra ny fivoriana notarihan'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA niaraka tamin'ireo fikambanan'ny mpitatitra ny tolakandron'ny Alatsinainy 11 Jolay 2022, fa hiakatra 600 Ariary ny saran-dalan'ny fiara fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra. Hihatra manomboka  ny Talata 12 jolay 2022 izany fampiakarana ny saran-dalana izany.
Nomarihan’ny Filoham-pirenena fa io fampiakarana saran-dalana io dia mifanaraka amin'ny vidin'ny solika izay vao niakatra. Hisy ihany koa, hoy hatrany ny Filoha, ny fanohanana izay hataon'ny Fitondram-panjakana amin'ireo fikambanan'ny mpitatitra mba hanatsara ny kalitaon'izany fitateram-bahoaka izany.
Mikasika ny fisondrotry ny vidin-tsolika dia nohamafisin'ny Filoha Andry RAJOELINA, fa tsy ny vidin-tsolika tena izy na ny "vérité des prix" no mihatra eto Madagasikara ankehitriny. Manao ny ezaka rehetra kosa ny Fitondram-panjakana mba hifehezana izany mifanaraka amin’ny fahefa-mividin'ny isan-tokatrano. Ny imasoan'ny Fitondram-panjakana dia ny fitsinjovana hatrany ny tombontsoan'ny vahoaka Malagasy hoy izy.
Ny solontenan'ireo mpitatitra dia nisaotra ny Filoha Andry RAJOELINA ary nanamafy ny fahavononan'izy ireo ny hanatsara ny kalitaon'ny fitaterana eto an-drenivohitra.

Source : Présidence