DRSP Analamanga - Hamafisina bebe kokoa ny fandriampahalemana

Noraisina tamin'ny fomba ofisialy ny DRSP vaovao

Toy ny fanao isaky ny Alatsinainy maraina dia notanterahina teo amin'ny tokontanin'ny Faritra Analamanga ny fananganantsaina sy ho fanomezana ny toromarika ho amin'ity herinandro vaovao ity. Niavaka ny tamin'ity andron'ny Alatsinainy 11 Jolay 2022 ity satria tamin'io no natolotra tamin'ny fomba ofisialy manoloana ny mpiara-miasa rehetra ato amin'ny Faritra ny DRSP na Talem-paritry ny Filaminam-havoaka vaovao eto amin'ny Faritra Analamanga dia ny Commissaire Principal de Police ANDRIANALISOA Haminiaina Solofotiana.
Taorian'ny fanolorana ny DRSP na Talem-paritry ny Filaminam-havoaka vaovao eto Analamanga, ny Commissaire Principal de Police ANDRIANALISOA Haminiaina Solofotiana, dia noraisin'ny Governora Hery Rasoamaromaka nihaona taminy manokana tao amin'ny Birao fiasan'ny Governora ny tenany. Vontoatin'ny dinika ny fanamafisana bebe kokoa ny fiaraha-miasa eo amin'ny roa tonta mba hanamafisana ny fandriam-pahalemana eto Analamanga.