Governora Hery Rasoamaromaka

Tsy fotoanan'ny fanakorontanana intsony izao

Naneho ny heviny nanoloana ny mpanao gazety, ny alarobia 27 jolay 2022, tetsy Ambohidahy ny Governoran'Analamanga Hery Rasoamaromaka. Nibahan-toerana tamin'izany ny fahitany ny hetsika nataon'ny vondron'ny mpanohitra tetsy Behoririka ny sabotsy 23 jolay lasa teo. Nambarany tamin'izany fa tsy fotoanan'ny fanakorontanana intsony izao. Fahatahorana ny fiatrehana ny fifidianana amin'ny taona 2023 no manosika ny mpanohitra hanao fihetsiketsehana hoy izy, izay hambolena korontana eto amin'ny firenena ka itakiana ny fiaraha-mitantana avy eo. Mandala ny demokrasia ny fitondrana ankehitriny, hoy ihany ny Governora, ary mihaino ny hevitry ny rehetra ary zon'ny mpanohitra ny maneho hevitra saingy tsy ekena kosa ny fanakorontanana.

Toy izao ny fanehoan-kevitry ny Governoran'Analamanga : 

"Voalohany dia aoka tsy ho fitahina sy laingàna ny  vahoaka fa miasa izao fitondrana izao. Ekena fa misy ny fahasahiranana amin'ny ankapobeny saingy tsy mitsahatra ny mitady vahaolana amin'izany kosa ny Fitondrana.
Tsy voaporofo hoe hamaha olana haingana sy mampidina ny vidim-piainana sy ny solika io fanonganana kasain'ny mpanohitra hatao io.
Raha ny mahakasika ny fanakanana ilay hetsika iny Sabotsy iny indray, dia rariny sy hitsiny raha nisy ny fandraràna sy ny fisamborana satria mazava ny tanjon'izy ireo dia ny hanakorontana sy hanongam-panjakana, ka nandray andraikitra ny mpitandro filaminana nandrara sy nanakana izany satria izay no isan'ny anjara asan'izy ireo.
Tsy toy ny Filoha teo aloha Ravalomanana izay hitam-poko hitam-pirenena ary izy tenanay no nilaza fa nanome baiko mpitandro filaminana tsy hihetsika, dia ireny korontana sy faty olona ary fandrobàna ireny no niseho teto Antananarivo sy ireo renivohi-paritany sasany tamin'ny fotoan'androny.
Hendry ary mandinika tsara ny ankabeazan'ny vahoaka Malagasy ka mahatsapa ny ezaka ataon'ny Fitondrana amin'ny fampandrosoana ka tsy ho azonao hidina an-dalambe ary fantatr'izy ireo koa ny ezaka ataon'ny mpitondra amin'ny fanampiana ny vahoaka.
Rehefa ireo vahoaka ireo no mihetsika noho ny fahatsapany ny tsy fetezana ataon'ny mpitondra dia tsy hisy mpitandro filaminana hahatohitra azy ireo.
Aoka tsy handaingana ny vahoaka fa fantany ny zava-nisy teto amin'ny firenena toy ny raharaha izay nanagadra an'i Pety, Voninahitsy, 3 Frères sy ny maro hafa. 
Tsy izao fitondrana izao mihitsy akory no manao didy jadona satria rehefa nohenoina ireo voalazan'Andriamatoa Ravalomanana dia ny azavatra nataony fahiny tamin'izy nitondra avokoa ireny notanisainy ireny, satria izy no tena nanao didy jadona.
Mihaino ny mpitondra amin'izao. Ny tenako dia tsy nianatra hitondra ny Faritra Analamanga fa mihaino aho ary malalaka ny varavarako raha misy sosokevitra avy amin'ny mpanohitra.
Voafidim-bahoaka ny Filoha RAJOELINA ka avelao izy hiasa sy hanapitra ny fotoam-piasany. Amin'ny 2023 ny fifidianana dia alao ny vahoaka no hitsara.
Io fifidianana io mihitsy no tena atahoran'ireo mpanohitra ireo ka mahatonga azy ireo te hanongana satria fantany fa kely ny vintana hahalany azy ireo. Hany heriny dia io mitady fiaraha-mitantana lava sy fanonganana io.
Ny imasoan'ny mpitondra izao dia ny manohy ireo "Velirano" izay ekena fa tsy tanteraka 100% noho ny valanaretina Covid sy ity krizy eran-tany ity, fa amin'ity heritaona farany izao ity dia hampitombo ny hafainganam-pandeha indroa na intelo mihoatra ny teo aloha izahay.
Hafatra averiko foana ho anay mpitondra, olomboatendry, olomboafidy dia ny hoe manaova ny mety, miasà, fa tsy hisy ho tafaverina eto amin'ny fitondrana izany intsony rehefa manao ny tsy mety."