Tanterahina eny amin'ny Mining Business Center Ivato, ny 28 sy 29 Jolay 2022, ny Atrikasa fakan-kevitra ho amin’ny drafitra nasionalin’ny Fitsijaram-pahefana miabo. Teto amin'ny Faritra Analamanga no nanombohana sy nanokafana ofisialy ity atrik’asa fakan-kevitra amin'ny fandrafetana ny drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo ity ary ny Faritra 23 dia samy hanaovana izany avokoa.
Nitarika ny fotoana teny Ivato ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta, Ntsay Christian, izay namariparitra fa "Tsy safidy ny fitsinjaram-pahefana fa adidy". Nanotrona azy tamin'izany ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Tokely Justin, ny Governoram-paritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka ary olo-manankaja maro.
Navoitra tao anatin'ny fihaonana ny "Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana mizaka tena sy mandray andraikitra, antoky ny fampandrosoana an'i Madagasikara (Colléctivités térritoriales décentralisées autonomes et résponsables, levier du développement de Madagascar)" izay mifandraika indrindra amin'ny Velirano faha-12 napetraky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Hevitra miainga avy eny ifotony sy mamaly ny filàna sy ny hetahetam-pampandrosoana avy amin'ny vahoaka eny anivon'ny kaominina sy ny distrika no angonina sy aravona ka handrafetana ny drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo. Mandray anjara amin'izany ireo olom-boatendry sy olom-boafidy, ireo solotenan'ny fiaraha-monim-pirenena, ireo tetik'asa misehatra isam-paritra sy ny tompon'andraikitra maro samihafa eny ifotony.
Mifototra amin'ny zotra lehibe enina (06 axes stratégiques) ny fanatanterahana ny fandrafetana ny drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo, araka ny Lalana Laharana 2021-011 portant validation de la Lettre de Politique de Décentralisation Emergente (LPDE).