Governoran'Analamanga : Nihaona tamin'ny mpanao gazety

TENIN'NY GOVERNORA.
Tonga tato amin'ny Biraoko tato Ambohidahy ireo mpanao gazety androany 19 febroary 2021, nanontany ny hevitro mahakasika ny fiainam-pirenena.
Teboka 3 no navoitrako tamin'izany dia:
- Mahakasika ny resaka nahafaty mpianatra tany Toamasina omaly dia miara-miory amin'ny fianakavian'ny mana-manjo ny tenako ary manameloka ireo nikopaka afo hampisy ny korotana.
Manome tsiny ny Président-n' ny Université any Toamasina ny tenako satria vola efa ny volana Jolay 2020 no tonga saingy ny volana Febroary 2021 mbola tsy voazara hatramin'izao.
 - Izahay mpitondra dia afaka mihaino ireo tsikera sy ireo "tena" mpanohitra satria tena ilaina ny "critiques constructives" hanitsiana ireo tsy mety.
Fanitsiana anefa ny tanjona fa tsy fanakorontanana toy ny tian'izy ireo hatao rahampitso io.
-Momba an'ireo mpitarika izay misy lasa niala teto Antananarivo omaly ny sasany saingy mbola mampirisika hatrany ny handehanan'ny olona eny Ambohijatovo rahampitso dia manentana ny tenako mba handehanan'ireo mpitarika eny aloha rahampitso toy ny nataonay tamin'ny 21 Avril fa tsy ny olona no alefa atao sorona.
FEHINY.
🔴Mazava ny tanjon'ny mpanohitra satria raha vita sy mizotra tsara avokoa ireo vinan'ny Filoha Andry RAJOELINA ireo dia mazava ny 2ème mandat ho an'ny Filoha amin'ny 2023 ka io no mahatonga azy ireo mpanakorontana hanakorontana toy izao.
🔴Amin'ny taona 2023 ny fifidianana manaraka ka samia manomana izany amin'ny alalan'ny asa atao.

 

 

 

19/02/21