Lalan-tany Antsahalalina-Andriampamaky

Mizotra soaman-tsara ny asa

Ho fampifandraisana ireo kaominina any ambanivohitra araka ny toromarika nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA nandritra ny fanomezany ireto "engins" ireto dia mitohy hatrany ny  fanamboarana lalan-tany tanterahin'ny Faritra Analamanga.
Lalan-tany mirefy 17 km izay mampitohy ny kaominina Antsahalalina sy Andriampamaky, kaominina Ambohitrony, ao amin'ny distrikan'i Manjakandriana an-kehitriny no amboarin'ny Fartitra Analamanga. Mizotra soa aman-tsara ny asa ary velom-bolo ny tantsaha satria miantoka betsaka amin'ny lalana ny fampandrosoana eny ifotony.