Hatramin'ny androany dia 25 km ny lalana vitan'ny Faritra Analamanga ary mbola mitohy hatrany izany. Ho fanohizana ny asa efa vitan'ny Faritra Analamanga tamin'ny taona lasa tao amin'ny Kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan'Ambohidratrimo, dia notohizany ny lalana pavé vita tamin'ny taona lasa. Nanao ny "constat" na fanamarinana ny asa ataon'ny orinasa manatanteraka ny asa ny Faritra Analamanga sy ny Fitaleavam-paritry ny Asa Vaventy na ny DRTP Analamanga. Ny lalana rarivato na pavé ao amin'ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan'Ambohidratrimo, no nanaovana izany fanamarinana izany. Nojerena raha toa ka mifanaraka na tsia amin'ny bokin'andraikitra ny lafiny kalitao sy ny asa nifanarahana tamin'ny orinasa nanao ny asa. Misy axes 4 ireo natao constat tamin'izany.
Ho fanohizana ny lalana pavé nataon'ny Faritra Analamanga tamin'ny taona lasa tao amin'ny Kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan'Ambohidratrimo, dia notohizana izany tamin'ity taona ity.
Ny lalana mankany amin'ny Biraon'ny Kaominina ao amin'ny renivohitry ny Kaominina no nanohizana izany. Toy izao ny fizotry ny asa.
Natomboka noho izany ny fanohizana ny lalana mankany amin'ny Biraon'ny Kaominina ao amin'ny renivohitry ny kaominina.
Ny Faritra Analamanga dia miezaka hatrany amin'ireo asa izay ataony ny hampanara-penitra izany amin'ny kalitaon'ny asa.
Etoana dia maneho ny fialan-tsiny ho an'ny mpampiasa lalana rehetra noho ny mety ho fenelingelenana.