Fanarenana ny lalana By-pass - Ankadimbahoaka

Notanterahina ny fandrakofana tara Androndrakely mankeny amin'ny By-pass

Notanterahana ny 17 Aogositra 2022 ny fanampenana tara (goudron) ny lalana eny Androndrakely ka hatreny amin'ny By-Pass izay iandraiketan'ny Faritra Analamanga.
Nitohy ny alina ny asa teny an-toerana.
Ny Faritra Analamanga dia maneho ny fialan-tsiny noho ny fanelingelenana amin'ny  fifamoivoizana.

Nitohy hatreny Ankadimbahoaka

Nitohy ny 18 aogositra tontolo andro ny asa fanamboaran-dalana izay ataon'ny Faritra Analamanga ka ny lalana mampitohy ny Shell By-pass hatreny Ankadimbahoaka no natao .
Ny Faritra Analamanga dia miezaka hatrany hanome kalitao tsara amin'ny asa lalana izay sahaniny.

Mitohy hatrany ny fanamboarana ny eny Ankadimbahoaka - By-pass, 20 aogositra 2022

Mitohy hatrany ary miasa andro aman'alina ny Faritra Analamanga amin'ny fanamboarana ny lalana mampitohy an'Ankadimbahoaka sy By-pass.
Ezahana hatrany ny hanamboana io lalana io amin'ny fenitra manaraka ny tokony ho izy ary mila fotoana kely. Ny Faritra Analamanga dia maneho hatrany ny fialan-tsiny amin'ny fanelingelenana amin'ny fifamoivoizana eny an-toerana.