Fiara ho an'ny Polisy, 17 oktobra 2022

NATOLOTRY NY FARITRA ANALAMANGA

Notanterahina ny alatsinainy 17 oktobra 2022 maraina nandritra ny fananganan-tsaina tetsy Ambohidahy ny fanomezan'ny Faritra Analamanga fiara STAREX ho an'ny Direction Regionale de la Sécurité Publique Analamanga mba hoentin'izy ireo hanatanterahany ny asany.
Nandray ny fanalahidy nandritra io fotoana io ny Directeur Regional da la Sécurité Publique dia ny Commissaire Principal de Police ANDRIANALISON Hami.
Ny Faritra Analamanga dia mitondra hatrany ny anjara birikiny sy ny fanampiana azony atao amin'ny Polisy satria isan'ny Veliranon'ny Filoha Andry RAJOELINA ny fampanjakana ny fandriampahalemana..