FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO
Araka ny fitsirihana nataon'ireo teknisianina ao amin'ny Faritra Analamanga dia vita ary azo ampiasaina avy hatrany ny lalana rarivato na pavé mirefy 1000 ML izay mampitohy ny RN4 mankany amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambohitromby, Distrikan' Ankazobe izay amboarin'ny Faritra Analamanga.
Mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dalana sahanin'ny Faritra Analamanga any amin'ireo toerana hafa ho fanatanterahana ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA.
Toy izao ny fizotry ny asa fanamboaran-dalana rarivato na pavé eny amin'ny Kaominina Ambohitromby, distrikan'ankazobe izay ataon'ny faritra Analamanga.
Mbola mitohy ny asa fanamboarana azy. Ny pavé dia maro no efa voapetraka fa ny compactage sy ny ceinture mbola tsy vita.
Ny Faritra Analamanga dia maneho ny fialan-tsiny ho anareo mpampiasa iny lalana iny noho ny fanelingelenana ateraky ny fanamboarana.